Erick Manana etsy amin’ny CCEsca Antanimena. Mandalo kely aty an-tanindrazana indray ity mpanakanto ity. Manome fotoana ireo mpankafy azy izy, rahampitso alahady, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Hiray sehatra aminy, mandritra izany, ireo namany ao amin’ny tarika Feo Gasy sy ny Lôlô sy ny tariny. Eo koa ireo mpitendry namany […]
kolon-tsaina
Kiforomporon-teny : mila miloa-bava ny mpikaroka
Anisan’ny porofo iray hoenti-milaza fa miaina sy velona ny tenim-pirenena ny fisian’ny teny vao ao anatiny. Na izany aza, manomboka maro loatra ny kiforomporon-teny heno etsy sy eroa. Tsara ny mandray andraikitra, mamorona, fa mampieritreritra kosa ny fahenoana ireo voambolana vaovao sasany. Mazàna, tonga any amin’ny fanontaniana : « iza no namorona izany ? », ny fanadihadihana. Mila fitandremana be […]
Seho any Ambatondrazaka: nosoloina an’i Naël ry Wada sy Youngs
Miandry amin’ny fotoana manaraka indray aloha ny mponin’Ambatondrazaka vao hahita indray an-dry Wada sy Youngs. Tsy manafoana ny fampisehoana kosa anefa izany, satria notanana hatrany ny fotoana amin’ny 1 mey izao, ao amin’ny Espace Laza Ambatondrazaka. Ry zalahy no tsy afaka fa nanaiky hanolo azy kosa i Naël. Hanampy azy […]
Saripika : mankalaza ny fahafolo taonany ny UPPM
Anisan’ny zavakanto manana ny maha izy azy ny saripika. Mihazakazaka be ny fivoarany izany tato ho ato. Nivoatra nanaraka izany ihany koa ny UPPM. Miezaka mijoro ho arofanina hatrany anefa ity fikambanana ity ho tombontsoan’ny saripika malagasy. Tontosa omaly, teny amin’ny Radisson Blue Ambodivona, ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety momba ny […]
TARATRY ny KANTO
Piment Café – Olombelo Ricky. « Hiraiko mangina… » no hatolotr’ity mpanakanto ity, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany. Fotoana hamerenana miaraka amin’ireo mpankafy ireo hira nandalo vanim-potoana tsy tontan’ny ela izany. Hatramin’izay nisian’ny fiarahana tamin’ny Olombelo Ricky tao amin’ity trano filanonana ity, hipoka mpankafy hatrany ny toerana. Hisokatra amin’ny fomba ofisialy […]