Volana vitsivitsy izay no nahitana fanitarana ny fotodrafitrasa etsy amin’ny AFT Andavamamba. Tontosa soamantsara izany ary notokanana ny faran’ny herinandro lasa teo. Fotodrafitrasa vaovao ahitana efitrano fianarana enina, toeram-piofanana informatika ary toerana malalaka iray ho an’ny fikotrehina zavakanto izany. Nomena ny anarana Monique Raharinosy ity trano vaovao ity, ho fanomezam-boninahitra […]
kolon-tsaina
« Tafan-gilita » : Hialohavana fifaninanana tendry gitara ny hetsika
Hetsika goavana ho an’ny « gilita ». Hatambatra anatin’ny « Festival Tafan-gilita », izay mety ho hetahetan’ireo mpankafy ny tendry gitara rehetra. Hanombohana izany ny fifaninanana ho an’ireo rehetra liana. «Gilita». Anarana nivoaka tany amin’ ny taona 70-80 tany, nilazana ny gitara. Tsy ny gitara rehetra anefa io, fa ilay nofaritana hoe «accoustique», misy […]
TARATRY ny KANTO
Anisan’ny nanaitra ireo mpankafy ny sanganasan’i Jaojoby nandritra ny seho tany Antsirabe, ny nahenoana indray ireo hira efa tsy dia fanaon’ity andrarezin’ny hira malagasy ity intsony. Anisan’izany ny hira amin’ny teny anglisy iray, tamin’ny gadona reggae, izay efa noforoniny tany amin’ny taona 1974. Teo koa ny hira tanatin’ny rakikira voalohany […]
Fiaraha-miasa Frantsay sy Malagasy : Hampiofanina ireo mpitantana mozea
Hamafisina ny fiaraha-miasa eo amin’ireo mpahay tantaran’ny firenena roa tonta. Hisy ny fampiofanana ireo mpitantana mozea, mikasika ny fikajiana ny harembakoka sy ny toerana miavaka. Anisan’ireo lohahevi-dehibe niompanan’ny fihaonan’ny filoha frantsay, Emmanuel Macron sy ny delegasiona notarihiny tamin’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina malagasy, Mara Volamiranty Donna, teny amin’ny […]
Faculté EGS Ankatso: Nankalazaina ny Andron’ny boky
Nankalaza ny Andro maneran-tany ho an’ny boky, andiany faharoa ny faculté EGS (Economie, Gestion, Sociologie) eo anivon’ny oniversiten’Antananarivo, omaly. “Boky, mpanoratra, andrin’ny fampandrosoana”, io ny lohahevitra nentina nanamarihana ny hetsika. Nahitana fandaharam-potoana maro samihafa nahafahana nampiseho ny tontolon’ny boky teny an-toerana. Nandray anjara tamin’izany ireo mpisehatra eo amin’ny rohim-boky, toy […]




