kolon-tsaina

TARATRY ny KANTO

Hisy vatsim-pianarana manokana ho an’ireo hitrandraka ny tantaran’ny zavakanto eto Madagasikara. Misokatra ho an’ireo tanora mpianatra mpikaroka izany, izay karakarain’ny Fonds Yavarahoussen sy ny Institut national d’Histoire de l’Art (INHA). Entanina hametraka ny antotan-taratasiny ireo liana, satria mbola hisy sivana hatao ka izay mendrika indrindra no hotohanana. Tetikasam-pikarohana manodidina ny […]

Mpilalao tantara amin’ny onjam-peo : Hiaka-tsehatra any Morarano Gara ny Iray Fy’Art

Hitohy any Morarano Gara, lalam-pirenena RN44 sy ny manodidina indray ny seho an-tsehatra iarahana amin’ireo mpilalao tantara amin’ny onjam-peo Iray Fy’Art. Hotan­terahina ny alakamisy 1 mey ho avy izao izany ary hanomboka amin’ny 1 ora tolakandro, ao amin’ny kianja any an-toerana ihany. Anisan’ireo hitondra ny talentany amin’izany amin’ity seho tantara […]

Zanasalanitra : Mivoy ny vazo miteny

Masaka ny nahandro. Miditra sy efa milona tanteraka eo amin’ny tontolon’ny vazo miteny, i Zanasalanitra amin’izao fotoana izao. “Aingam-panahy zanantany ilay vazo miteny ataonay ary efa nivoy izany an-taona maro. Tapa-kevitra kosa taty amin’ny taona 2019 hamoaka ny sanganasa amin’izay”, hoy izy. Nambarany fa tonga ny fotoana sy ny sehatra […]

AF Mobile: Hiampy dimy ireo « Sekolin’ny kanto »

Manatona ireo ankizy sahirana, hizara ny fahalalana sy ny kolontsaina. Izay no tanjon’ny AF Mobile, izay hiverina indray. Hiara-dalana amin’izany ny fananganana “Sekolin’ny kanto” hanampy ireo efa misy. Anisan’ny tetikasa ara-kolontsaina sy fanabeazana, mijery ny maha olona ny AF Mobile. Tsotra ny tanjona: mizara ny kolontsaina sy ny teny frantsay […]

Mozean’ny haino aman-jery : Nahazo arisiva ny minisiteran’ny Serasera

26 taona izao no nisian’ny fahitalavitra Tv Plus Madagascar. Ho fanamarihana izany, nanolotra ireo sanganasa mba ho tahiry sy vakoka ho an’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina ireo tomponandraikitry ny fahitalavitra, oma­ly, tetsy amin’ny Havoria Anosy. Mba ho tahiry sy vakoka amin’ny haino aman-jery sy ny tantaram-pirenena io, izay anjara […]