kolon-tsaina

Inter-Médias 2024 : hanomboka ny 3 mey izao ny fifaninanana

Hotanterahina ny 3 sy ny 4 mey ho avy izao ny fifaninanan’ ireo orinasan-tserasera, Inter-Médias 2024, “iray eny an-kianja”. Araka ny fanazavana nataon’ireo mpikarakara eo anivon’ny Ordre des journa­listes de Madagascar (OJM), omaly, teny Ambohidahy, man­doa lelavola 60 000 Ar avy ireo ekipa mandray anjara amin’izany. Taranja roa no hifaninanan’ […]

Clarisse Ratsifandrihamanana : navoaka omaly ny boky « Ikalomanga »

Na efa tsy eo intsony aza i Clarisse Ratsifandrihamanana. Misy hatrany ny fivoahan’ny sanganasany. Iray amin’ireny ny boky mirakitra ny tantaran’« Ikalomanga », navoaka omaly. Notontosaina, omaly, tao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, ny fa­moahana tamin’ny fomba ofisialy ny boky « Ikalomanga », sanganasan’i Clarisse Andri­amampandry Ratsifandriha­ma­nana. Ny taona 1967 no nanoratan’ity andrarezin’ny asa soratra malagasy […]

Hafatry ny mpisehatra teatra : « Fandriampahalemana ny zavakanto »

Ny 27 marsa no Andro maneran-tany ho an’ny teatra. Toy ny isan-taona, misy ny hafatra avy amina mpisehatra amin’ny teatra iray, izay nametraka teo amin’ity zavakanto ity. Nitondra ny hafatra tamin’ity taona ity i Jon Fosse, mpisehatra sady mpanoratra teatra norvezianina. Nosafidi­ny anatin’ny hafatra ny lohahevitra « Fandriampahale­mana ny zavakanto » ? Nadi­ka […]

Tantara an-tsary : anisan’ny voaasa hiatrika ny “RIBD 2024” i Catmouse

Laharam-pahamehana ary tafiditra ao anatin’ny fandaharanasam-panabeazana ny tantara an-tsary. Izany indrindra no antom-pisian’ny RIBD, ho fampiroboroboana ity kolontsaina ity. Hitondra ny anjara birikiny, mandritra izany, i Catmouse, Malagasy mpiangaly tantara an-tsary. Tanterahina any Coto­nou, Bénin, manomboka ny 27 marsa 2024 hatramin’ny 30 marsa 2024, ny “Ren­contres internationales de la bande dessinée” (RIBD), […]