Hoy Ranoe : «Iainan’ny Faribolana Sandratra ny teny mba hanamasina ny taniny amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny literatiora». Raha io nambaran’ity mpanoratra anisan’ny nanorina ny Faribolana Sandratra, tany amin’ ny 35 taona lasa, io no iaingana ho fanamby. Nahatanteraka izany ny «mpiraifaribolana» nandritra ny Zarafanahy manokana sy ny Alimbetso notanterahina ny sabotsy […]
kolon-tsaina
“Concert classique de midi” : hiantsehitra ny RE Ensemble
Hiova ny toerana. Etsy amin’ny efitrano malalaky ny Havoria Anosy no hanatanteraka ny «Concert classique de midi» ny RE Ensemble, ny alarobia 27 marsa izao. Tafiditra ao anatin’ny andiany faha-147 izy ity, raha ho an’ny Madagascar Mozarteum izay mpikarakara ny hetsika ho fampiroboroboana ny mozika klasika no asian-teny. Ny sanganasan’ireo […]
Fampisehoan’i Niu Raza: niavaka tamin’ny fampianaran-kira ireo mpankafy tonga nanatrika
Tontosa omaly, tetsy amin’ny CCEsca Antanimena, ny fampisehoana nataon’ny mpanakanto NiuRaza. Tonga maro nankafy izany ireo tanora lahy sy vavy. Nankafizin’ny maro ny hira nentiny an-tsehatra izay nampafana ny seho nandritra ny fizarana roa nifanesy. Toy ny “arendrina taratasy”, “only one”, “sipan’ Antananarivo” (nampandihy ny mpankafy rehetra), “ampy izay”, “Madagascar”… […]
Mitohy ny fankalazana ny faha-20 taona: hanasa ireo namany an-tsehatra ny TGC
«Tamin’ny voalohany», no nampisaloran’ny Tana Gospel Choir ilay seho fanombohana ny fanamarihana ny faha-20 taona nisiany. Nosafidian’izy ireo manokana tamin’izany ny Tranompokonolona Analakely, noho izy toerana niseharan’ny TGC voalohany. Nampanantena izy ireo nandritra io seho io fa hisesy ary ho maromaro, ny fampisehoana hanamarihana izany 20 taona an-tsehatra izany. “TGC […]
Faribolana Sandratra : hisy ny Zarafanahy manokana
Hiavaka ny anio ! Tsy tahaka ny nahazatra hatramin’izay ity Zarafanahy tanterahina etsy amin’ny Cercle Germano-malagasy (CGM-GZ) tohatohabaton’Antaninarenina ity. Hanomboka amin’ny 3 ora tolakandro ny antsa tononkalo ka mpanoratra 17 no indray hamelona eny an-tsehatra ny sanganasan’ny mpikambana ao amin’ny Faribolana Sandratra. Anisan’izany i Tsy Rofy, Elinivo, Fy Tsiky, Natiora […]