kolon-tsaina

“Viavy Film Festival”: fantatra ireo sarimihetsika hifaninana

Nampahafantarin’ny tomponandraikitry ny “Viavy Film Festival”, omaly, ireo sarimihetsika voafantina hiatrika ny andiany voalohany amin’ny fifaninanana. Miisa 12 izy ireo. Ny 15 marsa 2024 no hi­fan­dimby handeha eny amin’ny Canal Olympia Andohatape­naka ny horonantsary. Mari­hina fa sarimihetsika nosoratana sy novokarina ary notontosaina vehivavy no mandray anjara. Tanjona ny hanome sehatra […]

Be loatra ny mpamerina : mandroso miadana ny hira malagasy

Nipoitra ny « interprétation », ny « karaoke », ny « cover », sy izay mbola ho avy manaraka. Miroborobo fatratra ny famerenana ireo hira noforonin’ny teo aloha. Ilaina ny mamelona sy mampahatsiahy ny fahiny. Mety hampiadana ny fandrosoan’ny hira malagasy, anefa, izany raha maro loatra. Mihena miandalana ny isan’ny mpamoron-kira. Tsy amin’ny karazan-kira rehetra anefa […]

Cinem’Alliance : handravaka ny hetsika ny sarimihetsik’i Lova

Hotanterahina anio tolakandro, eny amin’ny Alliance française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba, ny «Cinem’alliance». Hetsika ka­rakarain’ny AFT hampisehoana sy hiresahana sarimihetsika malagasy izy ity. Amin’ity anio ity, ny «Zanaka, teny nomen’i Felix» no handravaka ny hetsika. Aorian’ny fandefasana ny sarimihetsika, hisy ny resadresaka fifampizarana manodidina ny sarimihetsika, hiarahana amin’i Fifaliana Nantenaina, mpaka […]

Tranga tsy tokony hipoitra : mila mianatra ireo manan-talenta

Tsy ny hira ihany fa ny tontolon’ny zavakanto eto Mada­gasikara mihitsy no mila manatevim-pahalalana. Tranga tsy tokony hiseho ny fanimbazimbana ny vakoka, arahina fialan-tsiny sy fifonana avy eo. Ny fanafintohinana mahazo izay maheno na mahita ilay kanto, sns, raha nobeazina sy nampahafantarina ireo manan-talenta izay tokony ho fantany. Manan-talenta amin’ny […]