kolon-tsaina

« Art plastique » : Hampiranty ny « Art’ Raoty » i Zongo Bilaky

« Art’ Raoty », fampirantiana hanasongadinan’i Zongo Bi­laky ny fahaizany mifehy ireo heverina ho akora na zavatra tsy ilaina na tsy ampiasaina intsony eo amin’ny andavanan­drom-piainana. Ranty hotanterahina ao amin’ny La Teintu­rerie Ampasanimalo, ny 6 marsa ka hatramin’ny 4 avrily izao. Ankoatra ny maha zavakanto ny « Art’ Raoty ». Ani­san’ny fandraisana anjara lehibe […]

“AfroMada Music Awards 2025”: Hankasitrahana, ny mpanakanto afrikanina, aty Madagasikara

Raha ny fanamby aloha, tena ambony dia ambony. Mety ho hetsika hampiaka-daza ny mozika malagasy eo amin’ny tsena iraisam-pirenena mihitsy aza ny “AfroMada Music Awards 2025”. Maro ny lanonam-pankasitrahana mpanakanto noho ny sanganasany maneran-tany. Te hilahatra amin’ireny efa fanta-daza ireny ny “AfroMada Music Awards 2025”. Hetsika haka endrika “festival” ho […]

TARATRY ny KANTO

Tsy ho ela dia afaka miverina mamaky boky ao amin’ny IKM Antsahavola indray ireo efa zatra izany. Nanolotra boky vaovao ho an’ity Ivokolo ity ny Librairie Il Etait Une Fois sy ny fikambanana Trait d’Union. Boky vaovao ho an’ny ankizy, ny tanora ary ny lehibe ireo. Misy ho an’ny mpianatra […]

Fanabeazana sy fitaizana: Vitsy mpisehatra ny fanoratana angano

Ry « Ikotofetsy sy Imaha­ka » efa navalon’ny taona ela. Efa hadinon’ny Malagasy ny fisiany. Tao anatin’ny 20 taona, nihena ny isan’ny mpanoratra angano. Rabenandra­sana Lalao, Arikom’s Randria, Ny Eja… Ireny anarana ireny hatrany no heno, fa ny hafa? Anisan’ny sarotra ny fanoratana angano, satria, maro ireo tsy maintsy hajaina. Antony iray […]