kolon-tsaina

“Samy mbola hafa” : ho tafaraka indray ry ‘Zay sy i Tovo J’Hay

“Mbola hafa ihany, hoy aho ilay hoe tianao…”, hoy ny hi­ran’ny tarika ‘Zay. “Mbola hafa ianao, tsy afaka an-doha”, hoy kosa ny setriny amin’ny hiran’i Tovo J’Hay. “Samy mbola hafa” no anarana nosafidiana hampisalorana ny fiarahan’ireto mpanakanto ireto an-tsehatra. Seho manokana izay hotontosaina ny 3 desambra ho avy izao, eny […]

« Lamba forever »: Mbola hitohy hatramin’ny zoma ny hetsika

Ny momba ny lamba amin’ny antsipirihany no aseho eny amin’ny Hakanto Contemporary Ankadimbahoaka. Anisan’izany ny fampirantiana haikanto vita amin’ny lamba, sary sy valandresaka momba ny lamba, atrikasa sy fifampizarana. Hitohy hatramin’ny 25 no­vambra 2023, eny amin’ny Hakanto Contemporary Ankadimba­hoaka, ny fampirantiana « Lamba Forever”, iarahana mpahay kanto miisa 21. Ankoatra izany, misy koa ny valandresaka arahina ady […]

Bar à livres (Saison-1): « Mila manana haitsena… », hoy i Hobiana

Ny sabotsy 18 novambra teo. Tao amin’ny Lycée Rabe­a­rivelo etsy Analakely. Nitohy teny amin’ny E.P.P Mahama­sina Atsinanana. Nofaranana tamin’ny « Bar à livres », teny Bemasoandro Itaosy. Fihao­nan’ny mpianatra tamin’ireo poeta sy mpanoratra manana sanganasa tafiditra ao anaty fandaharam-pianarana. Samy naneho ny heviny ka namaly ny fanontaniana « Mbola ho avotra ve ny […]

« Slumourap freestyle »: omena sehatra ny ankizy

Notanterahina ny sabotsy maraina lasa teo, tetsy amin’ny Tranomboky monosipaly Analakely, ny fifaninanana hetsika “Slumourap freestyle”. Nanomezana sehatra ireo ankizy manan-talenta amin’ny fanaovana “Rap”. Anton’ny hetsika, ny fahatsapan’ny mpikarakara fa maro ny ankizy sy tanora manana talenta saingy tsy mahalala ny lalana tokony halehany sy sehatra ahafahany maneho izany. Niaraha-niasa […]

Ninie Donia : nodimandry ny mpanjakavavin’ny Salegy

Misaona ny tontolon’ny haikanto malagasy. Nodimandry, noho ny aretina maro samihafa nahazo azy, i Ninie Donia. Ny gadona Salegy no tena nampalaza azy, ary maro ireo hirany nankafizin’ny Malagasy. Nindaosin’ny fahafatesana omaly, teny amin’ny manodidina an’Andra­fiabe, i Bezara Eliane Virginie, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe Ninie Donia. Raha tsiahivina, […]