kolon-tsaina

« Spectacle stand-up »: ho avy eto Madagasikara i Rodrigue

Ho avy eto Madagasikara i Rodrigue, teratany frantsay mpanao hatsikana sady kalaza amin’ny fampihomehezana. Seho tsy mbola mahazatra ny Malagasy loatra, fa efa iainan’ny mpijery any ivelany no hoentiny amin’izao diany izao. « Spectacle stand-up ». Izy irery no hiakatra sehatra hanatontosa ny fampihomehezana. Tsy misy zavatra na fitaovana maro kanefa vitan’i Rodrigue […]

Semaine Flamenco : hisehatra i Raul Rodriguez sy Christian

Tanterahina eny amin’ny Alliance française d’Antanana­rivo (Aft) Andavamamba, rahampitso, ny fampisehoana « Jam Session », iarahana amin’i Raul Rodriguez sy i Christian de Moret ary ny AF Jazz. Hetsika tafiditra anatin’ny «Semaine Flamenco de Madagascar », andiany fahenina. Seho avo lenta sy matihanina no entin’ny mpikarakara, miaraka amin’ireto vahiny mpanakanto manana ny maha […]

Unesco – Harembakoka sy fahaiza-mahandro: natao tany Vatomandry ny « Lakozia mitety sekoly »

Babon’ny fahaizan’ireo ankizy nikarakara sy nahandro ny soanambo ny Cheffe Henintsoa sy ny mpikarakara… Nandritra ny hetsika “Lakozia mitety sekoly” tany Vatomandry no nahitana izany fanomezan-kasina ny harembakoka sy ny fahaiza-mahandro izany! Tanjon’ny “Lakozia mitety sekoly” (LMS) ny fanabeazana ny ankizy mom­ba ny harembakoka fonosin’ny fahaizana nahandro malagasy. Manana endrika fifaninanana eny […]

TARATRY ny KANTO

Efa manana ny toerany ny gadona Reggea, raha ny eto Madagasikara, hoy ny tomponandraikitry ny “Fianara Reggea Festival”, hetsika natokana hanandratana ity gadona ity eto amintsika. Notanterahina tany Fianarantsoa, ny 29 hatramin’ny 30 marsa 2024, ity hetsika ity, raha tsiahivina. Maro ny mpankafy niatrika ary samy afapo ny rehetra. Hipoka […]

“Mifampitantana 2024” : samy afapo ny rehetra

Tontosa ny alahadin’ny Paka, teny amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina, ny « Mifam­pitantana 2024 ». Fampise­hoa­na niarahana tamin’i Poo­py sy Bodo. Seho feno ary matihanina tanteraka no hita teny an-toerana. Samy afapo ny rehetra, na ny mpikarakara na ny mpanakanto nandray anjara, na ny mpijery. Mbola tena maro mpankafy ary […]