Tomefy olona hatrany! Tsy naharava ny fety ny orana latsaka fa nilanonana nandritra ny telo andro nisesy Antsirabe, nandray ny “Star Tour”. Efa tafapetraka ny anarana. Tsy afa-misaraka intsony amin’ny fetin’ny Paka, izay efa mahoraka hatramin’izay eto Antsirabe, ny “Star Tour”. Telo andro an-danonana, nanomboka ny sabotsy ka nifarana omaly […]
kolon-tsaina
Fetin’ny Paska : miverina amin’ny lazany Antsirabe
Ho aiza ianareo amin’ny Paska? Antsirabe… Efa zary nahazatra ny sofina ny naheno io valinteny io tao anatin’ny taona maro. Nolalovan’ny valanaretina Covid-19 i Madagasikara. Tsy tazana firy intsony io mampisongadina an’Antsirabe io. Nalaina ny mpikarakara hetsika kolontsaina. Nalaina ny mpanakanto, sns. Taona 2024, miverina amin’ny lazana ny Renivohitr’i Vakinankaratra […]
Tarika Rebika : hankalaza ny jobily faha-35 taona nihirana
Etsy Antsahamanitra no hankalaza ny jobily faha-35 taonany ny tarika Rebika, amin’ny Alatsinain’ny Paska ho avy izao. Fampisehoana goavana no hoentina hanamarihina izany. Anisan’ny nitety vanim-potoana ary tranainy indrindra ny tarika. Mbola manana ny maha izy azy sy maro mpankafy anefa izy ireo hatramin’izao. Mpanohana ofisialy ny hetsika izay hotontosaina […]
TARATRY ny KANTO
Tanterahina, rahampitso, eny amin’ny Musée de la Photographie Anjohy, ao anatin’ny hetsika «Café-histoire», ny fandefasana ny sarimihetsika «Tabataba», notontosain’i Raymond Rajaonarivelo. Hisy ihany koa ny tafa sy dinika iarahana amin’ity mpanatontosa ity. Nandravaka ny IFM Analakely, omaly, ny sarimihetsika «Dounia et la Princesse d’Alep» sy ny «Les inséparables», tao anatin’ny […]
« Fiainana sy Fiadanana » : “Antsa Paska” hataon’ny Chorale Orimbato
Alahady 31 marsa amin’ny 3 ora sy sasany ao amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga. Hanatanteraka ny “Antsa Paska 2024” nampitondraina ny lohateny «Fiainana sy fiadanana» ny Chorale Orimbato. Hampahatsiahy an-kira izay nizoran’i Kristy ho famonjena ny zanakolombelona, izy ireo. Fiaraha- miasa eo amin’ity antoko mpihira ity sy ny komitin’ny EWS Foibe […]