Tontosa omaly, tetsy amin’ny CCEsca Antanimena, ny fampisehoana nataon’ny mpanakanto NiuRaza. Tonga maro nankafy izany ireo tanora lahy sy vavy. Nankafizin’ny maro ny hira nentiny an-tsehatra izay nampafana ny seho nandritra ny fizarana roa nifanesy. Toy ny “arendrina taratasy”, “only one”, “sipan’ Antananarivo” (nampandihy ny mpankafy rehetra), “ampy izay”, “Madagascar”… […]
kolon-tsaina
Mitohy ny fankalazana ny faha-20 taona: hanasa ireo namany an-tsehatra ny TGC
«Tamin’ny voalohany», no nampisaloran’ny Tana Gospel Choir ilay seho fanombohana ny fanamarihana ny faha-20 taona nisiany. Nosafidian’izy ireo manokana tamin’izany ny Tranompokonolona Analakely, noho izy toerana niseharan’ny TGC voalohany. Nampanantena izy ireo nandritra io seho io fa hisesy ary ho maromaro, ny fampisehoana hanamarihana izany 20 taona an-tsehatra izany. “TGC […]
Faribolana Sandratra : hisy ny Zarafanahy manokana
Hiavaka ny anio ! Tsy tahaka ny nahazatra hatramin’izay ity Zarafanahy tanterahina etsy amin’ny Cercle Germano-malagasy (CGM-GZ) tohatohabaton’Antaninarenina ity. Hanomboka amin’ny 3 ora tolakandro ny antsa tononkalo ka mpanoratra 17 no indray hamelona eny an-tsehatra ny sanganasan’ny mpikambana ao amin’ny Faribolana Sandratra. Anisan’izany i Tsy Rofy, Elinivo, Fy Tsiky, Natiora […]
« Festival du film francophone »: hahazo vahana ny sanganasan’ ny tanora afrikanina
Ambohipihaonan’ny mpankafy sarimihetsika indray ny eny amin’ny IFM Analakely, mandritra ny roa andro. Hahazo tombony manokana ireo sarimihetsika novokarin’ny tanora afrikanina. Tanterahina ny 26 sy 27 avrily 2024, eny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM Analakely), ny «Festival du film francophone», karakarain’ny masoivohon’i Frantsa sy Canada eto Madagasikara. Araka ny […]
Iray Fy’Art : hiaka-tsehatra eny Antanetibe Mahazaza
Hanokafan’ny tarika Iray Fy’Art ny fampisehoany amin’ity taona ity ny fiakarana an-tsehatra eny Antanetibe Mahazaza. Hotanterahina ny alahady izao, amin’ny 1ora tolakandro, eo anoloan’ny “Cantine” CEG Mahazaza izany. Lohatenin’ny seho hataon’izy ireo : “Ny herin’ny vola”. Tantara maneho ny fiainana andavanandro ifanjevoan’ny resa-pitiavana sy ny tazon-karena. Eo koa ireo trangam-piarahamonina […]