kolon-tsaina

Anisha Jo: hiara-hiasa amin’ny Sony Music

Dingana iray lehibe ho an’i Anisha Jo. Nampahafantatra tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ity mpanakanto voalohany tamin’ny “Star Academy” farany ity fa hiara-hiasa amin’ny Sony Music izy. Tsy ny mpanakanto rehetra akory no alain’ity trano mpamokatra mozika iraisam-pirenena ity hiara-hiasa aminy, fa ireo izay heveriny ho tena misongadina ka afaka mivarotra […]

Famakiana boky : vitsy ny liana amin’ireo misy voka-pikarohana

Nihena ny lanjan’ny famakiana boky, tato ho ato, noho ny fivoaran’ny teknolojia, izay manamora ny fiainan’ny olona, eny hatramin’ny fanaovana fikarohana. Anisan’ny loharano ahafahana manovo fahalalana ny vaky boky. Etsy andaniny, mihena ny mpa­maky ireo boky mirakitra voka-pikarohana sy fanadihadiana. Etsy ankilany, nahitana fiakarany ny tahan’ny mpanjifa sy mpamaky ireo […]

« Kol’Tour » : hampahafantarina ireo harembakoka

Fandalovan’ny mpizahatany fotsiny Antananarivo hatramin’izay. Saika ireo tamba-dia mihazo ny morontsiraka, mandalo ireo valanjava-boahary natoraly hatrany no amidy ho an’ireo mpizahatany. Ambi­nambina fotoana sisa matoa mitsidika ireo harembakoka na mozea, sns, eto Antana­narivo ireo vahiny. Mba hialana amin’izay indrindra no namolavolan’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, miaraka amin’ireo matihanina amin’ny sehatry ny fizahantany ny « Kol’Tour ». […]

Fakafaka : … Dia izao ny vokany !

  Ny fanaovana tsinontsinona ny maha Malagasy ihany no miteraka ireo olana marobe ireo. Lalàna anisan’ireo « lehibe sy manan-danja » indrindra eto Madagasikara, amin’ny teny frantsay. Vokany, samy mandroritra mankany amin’ny tombontsoany. Raha voasoratra amin’ny teny malagasy izy ireny, tsy nisy fifandirana fa izay voasoratra no arahina. Ny mahavariana, ireo lazaina […]

« Bibliothèque Municipale » Analakely : misokatra indray amin’ny endriny nohavaozina sy nohatsaraina

Toerana manana ny maha izy azy amin’ny Malagasy, indrindra ho an’ny eto Antananarivo, ny “Bibliothèque municipale”. Izany indrindra no nanaovana izao fanavaozana sy fanatsarana azy izao. Malagasy sy vahiny mpahay kanto no nifarimbona nanaingo ny toerana tamin’ny alalan’ny haikanton’izy avy. Tontosa omaly ny lanonana fitokanana ny Biblio­thèque médiathèque municipale Analakely, izay nohavaozina. Tomponan­draikitra maro […]