Azon’Andriantsitoherinteny Aradrariny Ariella, na Kaira Futur, ny amboara “Prix du Jury”, nandritra ny “Prix Jeunes Ecritures 2023”, nokarakarain’ny Agence universitaire de la Francophonie (AUF). Fifaninanana natokana ho an’ny mpianatra aty amin’ny tany miteny ampahany na manontolo ny teny Frantsay. Tanjon’ny AUF ny hampaherezana ny tanora amin’ny fanaovana asa soratra amin’ny […]
kolon-tsaina
Volana oktobra: hisy ny « Atrikefa bagasy »
Anisan’ny fandaharam-potoana efa zary raikitra ho an’ny mpitia bagasy ny «Atrikefa». Ho an’ity volana oktobra ity, hotanterahina ao amin’ny Ivontoeran’ny kolontsaina malagasy (IKM) etsy Antsahavola izany ny sabotsy 7 oktobra izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany. Hivelatra be ny fihaonana satria halalaka ny fizarana sy fifanakalozana traikefa eo amin’ny […]
Feno 100 taona: navoaka ho boky ny « Hiram-bavaka » sanganasan’i Rado
Mpanoratra tononkalo… Nisy tamin’ireny no navadiny ho tononkira. Feno 100 taona i Rado. Navoaka, omaly, ilay boky mirakitra ireo hiram-bavaka nosoratany. Andriamanantena Georges na i Rado. Mpanakanto feno. Iray amin’ireo talenta maro ananany ny fanoratana. Nisy tamin’ireny tononkalo nosoratany ireny no navadiny ho tononkira. Anisan’izany ny «Aza avela hahalala», «Mba […]
Hira avy any atsimo : manandratra ny tsikidona ny Mahafaly Mihisa
«Mahafaly», anarana foko iray any atsimon’ny Nosy. «Mihisa», adika amin’ny hoe : misôma na milalao. Niorina tany Betioky, ny taona 2012, ny tarika Mahafaly Mihisa. «Ny fampahanfatarana sy fanandratana avo, eto an-toerana sy hatrany ivelany ny tsikidona (iray amin’ireo mandrafitra ny tsapiky nentim-paharazana avy any atsimo) no antom-pisianay. Tononkira, mirakitra hafatra […]
Fakafaka: Mpamorona, mpamorona, mpamorona…
… Tsy ampy, tsy ampy, tsy ampy ! Tena izay mihitsy fa tsy sanatria be filaza. Rehefa mety ho zavakanto na kolontsaina malagasy, saika tratran’io avokoa. Antony iray mahatonga ny Malagasy ho maro « fahiny » sy « vakoka ». Raha ao amin’ny hira fotsiny, tokony hisy ve ny « kalon’ny fahiny » ? Raha ny vanim-potoana […]