kolon-tsaina

Tarika AmbondronA : fiakarana an-tsehatra voalohany ho an’ny taona 2024

Seho tsy tahaka ny nahazatra hatramin’izay. Fampanantenana nataon’ny tarika AmbondronA io, nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety AmbondronA, tarika tsy zoviana amin’ny mpitia zavakanto. Hiakatra an-tsehatra voalohany amin’ity taona 2024, eny amin’ny efitrano malalaky ny CCI Ivato, ny 25 febroary izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Hiavaka ny seho, satria, […]

Fihetsiketsehana no betsaka : malaza tsy ampiasaina toy ny « teny ibeazana »

Manana ny teny malagasy ny Malagasy. Mankalaza ny andro iraisam-pirenena ho an’ ny teny ibeazana ny Malagasy… Saingy, ny voalohany malaza tsy ampiasaina, ny faharoa ny fihetsiketsehana no betsaka. Misy olona na vondrona olona mikendry ny hamotika tante­raka ny teny malagasy eto. Anisan’izany ireo minia mikipy manoloana ny tena zava-misy […]

Havatsa Upem : novelomina an-tsehatra ny tonokalon’ny mpikambana

Tontosa omaly, teny amin’ny efitranon’ny Kolontsaina, Lisea an’Ampefiloha (LMA) ny “Antsa Tononkira”. Hetsika namelomana an-tsehatra ny tononkalo nosoratan’ny mpikambana Havàtsa Upem. Anisan’ny novelomina ny tonokalon’i Odéam Rakoto, Dox, Célestin Andriamanantena, Rado, Cla­risse Ratsifandriamanana, Abel Andriamalala… Ankoatra ny fiantsana sy fihirana ny tononkalo, nisy ihany koa ny fampirantiana ny asa soratr’ireo […]

Andro iraisam-pirenena hoan’ny teny ibeazana : “Ezaka hatao ny fampiroboroboana ny fiteny isam-paritra”

Marihina isan-taona ny andro iraisam-pirenena ho an’ny teny ibeazana. Misy ny fanamby ho an’ny fampiroboro­boana ny teny malagasy, izay tenindreny, teny ibeazana ho antsika. Manankarena fahasamihafana izany. “Tenindreny, teny mampandroso”, io no loha­hevitra nosafidiana nanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tenin­dreny, omaly. Nisy ny lanonana tsotra fa manan-danja, nanamarihana izany […]

« Sokela, la parole du Sud » faha-12: misongadina ny fanabeazana

Azon’ireo any ampitan-dranomasina jifaina, eny anivon’ny trano famakiana sy fivarotam-boky maro, nanomboka omaly, ny « Sokela, la parole du Sud », laharana faha-12, notontosain’ny Profe­sora Rasamoelina Henri. Tsia­hivina fa ny 15 febroary 2024 no nivoahany tamin’ny fomba ofisialy ho an’ny eto Madaga­sikara. Lahatsoratra 17 no mandrafitra azy ity, ary Mala­gasy mpikaroka miisa […]