Araka ny vaovao voaray halina, nodimandry i Doda ao amin’ny tarika Ny Voamaintilany. Anisan’ny nahafantarana azy ny fihirana ny kalon’ny fahiny sy ny hiran’ny omaly. Anisan’ny mpikambana tao amin’ny tarika Noelson Lalao (rainy niteraka azy) i Doda. Saika nametrahany ny feony avokoa ny antanantohatry ny feo nilaina tamin’izany. Taty aoriana, […]
kolon-tsaina
« Power of Metal »: Seho miaraka amin’ny tarika Alkiniah sy ny tarika Mania
Tarika roa anisan’ny sangany eo amin’ny fiangaliana ny mozika mavesatra no ho tafaraka. Tarika Mania sy ny tarika Alkhiniah, hanatanteraka ilay seho goavana « Power of Metal ». Raikitra ! Hotanterahina etsy amin’ny Cercle Franco-Malagasy (CFM) Anosy, ny sabotsy 19 avrily izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro ka hatramin’ny 10 ora alina ny […]
Fikarakarana hetsika: Tsy ampy ny fotodrafitrasa ho an’ny zavakanto
Sahirana ireo mpisehatra amin’ny zavakanto eto Madagasikara. Tsy ampy na tsy misy mihitsy ny fotodrafitrasa manara-penitra, mety amin’ny sehatra tsirairay. Mionona amin’izay azo ampiasaina ny mpanatalenta sy ny mpikarakara, ka mandatsaka ny kalitaon’ny seho matetika. «Tsara ny Lapan’ny fanatanjahantena, fa mba aiza ny an’ny zavakanto? » hoy ny fanontaniana napetrak’i Sareraka […]
TARATRY ny KANTO
Anisan’ny mampiavaka ny firenena iray amin’ny hafa ny kolontsaina ao aminy. Hatramin’izao, anefa, miantehitra amin-javatra hafa io kolontsaina io fa tsy avela hisongadina. Miantehitra amin’ny toekarena na politika. Tahaka ny tsy misy ny kolontsaina manoloana ireo. Manana ny antom-pisiany ny mpampianatra sy ny mpanabe. Amin’izao fotoana, maro ireo tsy mahafantatra […]
Antsa Paska 2025 – chorale Orimbato: Hanolotra ny « Velona mandrakizay »
Toy ny fanaony isan-taona, hanolotra amboaran-kira Paska ny Chorale Orimbato, ny alahady 20 avrily izao, manomboka amin’ny 3 ora sy sasany tolakandro, ao amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga. Hanana endrika miavaka ny amin’ity taona ity, satria, hiarahany miasa amin’ny Fikambanana mampiely baiboly malagasy (FMBM), noho ny faha-190 taona nahavitana printy voalohany […]