kolon-tsaina

“Festival Dona Be” – Antsohihy: “Harenina ireo lesoka”, hoy i Dadi Love

Efa mipetraka ny anarany ao Antsohihy. Miakatra tsikelikely, ezahina ho fanoitra ho an’ny fampandrosoana ny Faritra Sofia sy Antsohihy manokana ny “Festival Dona Be”. Mba tsy ho fandalovana fotsiny ny Faritra. Hiditra amin’ny andiany faha-4. Hotontosaina ny 23 hatramin’ny 26 jolay ho avy izao ny “Festival Dona Be”, ao Antsohihy. […]

Profesora Ranaivoson Jeannot Fils : « Mampandroso ny firenena ny fampiasana ny teny »

« Raha hitady asa, tsy ny teny malagasy no hitsapana ny fahaizan’ny olona iray nefa io no teny hain’ny olon-drehetra. Raha ny teny malagasy ihany no hay dia toy ny olona tsy mahay na inona na inona », hoy ny fanazavan’ny mpampianatra mpikaroka eny amin’ny Oniversiten’Anta­na­narivo, ny profesora Ranai­voson Jeannot Fils, momba […]

TARATRY ny KANTO

Notolorana mari-pankasitrahana manokana i Darya Poleschuk. Mpitendry piano rosianina, tonga nizara ny fahaiza-manaony sy ny traikefany tamin’ireo mpampianatra sy mpianatry ny Akademiam-pirenena misahana ny zavakanto sy ny kolontsaina na ny Anac izy. Manan-talenta, indrindra amin’ny mozika klasika ity mpanakanto ity, ka hanampy amin’ny fivelaran’ireo mpanakanto mpianatra eto Madagasikara aoriana kely […]

Académie Arts-Sciences-Lettres- France : Nahazo ny medaly volamena i Ilo Rakoto

Misongadina amin’ny maro. Nahazo ny mari-pankasitrahana fara tampony noho ny filofosany amin’ny mozika i Ilo Rakoto, mpiangaly piano, teratany malagasy. Nandingana tsikelikely ny zana-tohatra rehetra. Vaovao lehibe, kanefa tsy nahagaga ihany koa satria tena mendrika ho an’i Ilo Rakoto ny nahazoany ny medaly volamena avy amin’ny Académie Arts-Sciences-Lettres any France. […]