Nigadona atsy amin’ny Nosy Maurice ny tarika Rossy. Ny mpikambana iray manontolo mihitsy no hanatontosa ny seho izay tafiditra anatin’ny « Bapampa Be Tour 2026 ». « Hafakely ny fandraisana anay, porofo sahady ny fahamatoran’ny fikarakarana. Efa ela no te hihaona amin’ireo mpankafy sy mpiray tanindrazana aty amin’ireto Nosy Rahavavy ireto ka raikitra […]
kolon-tsaina
Raha tsy teo ireo mpamorona… : Mahantra ny zavakanto malagasy
Fiverenana any amin’ny fototra… Mety ho azo hialokalofana ihany. Matoa hanovozana, tsara sy fakan-tahaka. Na eo aza ireo rehetra ireo, manomboka hita taratra ihany koa ny fihenan’ny sanganasa vaovao. Miha mahantra andro aman’alina ny zavakanto malagasy. Raha tsy teo ireo mpamorona efa nodimandry, tsy ho hita taratra fa velona sy […]
Fimpima Antsirabe: Namoaka ny andiany « Loharano »
358 mianadahy ny andiany Loharano navoaka tamin’ity fotoana ity ary 89 ireo noraisina ho mpikambana raikitra. Hanatevina ny Fikambanan’ny mpikabary Malagasy na ny Fimpima, faritany Antsirabe, izy ireo. Natomboka tamin’ny diabe niainga teo amin’ny tranompokonolona Antsenakely, namakivaky ny tanàna ary nifarana teo anoloan’ny tsangambato no nanamarihana ny famoahana ny andiany […]
TARATRY ny KANTO
Hisy ny velakevitra manodidina ny tantaran’ny mpanjakavavy Ranavalona III. Hotontosaina anio, amin’ny 10 ora maraina izany, eny amin’ny AFT Andavamamba. Ny marimarina kokoa, ny tantaran’ny mpanjaka, araka ireo sary voarakitra, izay ny ankamaroany fony izy tany an-tsesitany. Hamelabelatra izany i Helianta Rajaonarison, mpampianatra mpikaroka tantara eo anivon’ny oniversiten’Antananarivo. « Cabaret » hanehoana […]
Hira evanjelika : Hanao ny « Tour du Sud Mada » i Zook Davids
Hanomboka ny faran’ity herinandro ity ilay fampisehoana hitetezan’i Zook Davids ny faritra atsimon’ny Nosy. Sabotsy 4 jolay, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny Kianja fanaovana basikety kaominina Ambohimahasoa. Talata 7 jolay, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, seho lehibe ao amin’ny Kianja fanaovam-baolina Ranomafana. Tolakandron’ny alakamisy 9 jolay, ao amin’ny […]




