kolon-tsaina

Raha omena toerana tsara: fitaovana hoenti-manampy fa tsy vesatra ny kolontsaina

Ny firenena osa, marefo kolontsaina. Firenena matanjaka, manana kolontsaina matanjaka. Atosiky ny tanjaky ny toekarena ny fivelaran’ny kolontsaina. Tahaka ireo hatrany no heno. Tahaka ny tsy misy ilana ny kolontsaina mihitsy eo amin’ny firenena iray! Na nalentiky ny vahiny mafy ao an-tsain’ireo mponina tany amin’ny tany nozanahiny aza ny hoe: […]

Antsa Noely – Chorale Orimbato: Hanolotra ny seho «Misandrata»

Tahaka ny fanaony isan-taona. Hanamarika ny Noely ny Chorale Orimbato avy ao amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga. Hisy hatrany ny maha samihafa ny seho tsirairay. Hira manamarika ny andro Noely, amin’ny teny malagasy, frantsay sy anglisy, miaraka amin’ny fitafiana manokana. Ireo no anisan’ny hampiavaka ity Antsa Noely « Misan­drata » atolotry ny Chorale […]

TARATRY ny KANTO

Tafaverina an-tanindrazana ny tarika Iraimbilanja. Avy nanatontosa seho maromaro tany Frantsa izy ireo, ho famaliana ny hetahetan’ireo mpankafy any an-toerana. Efa manome fotoana sahady ireo niandry fotoana elaela ihany koa : ny sabotsy 21 desambra izao, manomboka amin’ny 4 ora sy sasany etsy amin’ny Karibotel Analakely. Nisokatra nanomboka omaly hatramin’ny 24 […]