Mety anarana vaovao amin’ny maro… Saingy tsy vaovao eo amin’ny tontolon’ny mozika i Fety. Mpanakanto malagasy efa nanoritra ny lalany any ivelany any izy, saingy tsy manadino ny fototra nipoirany. Antony lehibe nanokanan’i Fety fotoana roa, hizarany ny mozikany ho an’ny mpiray tanindrazana izany. Ny voalohany rahampitso 19 desambra, etsy […]
kolon-tsaina
Asa soratra : Namoaka boky vaovao i Esther R. R.
Azon’ny rehetra jifaina eny amin’ny fivarotam-boky nanomboka ny 17 desambra teo ny boky Ranavalona III (1883- 1897) . Esther R. Randriamamonjy (ERR) no nanatontosa ny fanoratana ity boky ity. Asa soratra ahitana pejy miisa 155 izy ity. Aingam-panahy avy amin’ny fiainana sy fotoana naha mpanjaka an-dRanavalona III no narakitra ho tantara. […]
Vaninandro krismasy : Manomana hetsika miavaka ho an’ny vahoaka ny fanjakana
Zava-dehibe ny fiaraha-mifaly amin’izao vanim-potoanan’ny Noely izao. Izany indrindra no namolavolan’ny fitondram-panjakana hetsika maro entina hiaraha-mifaly amin’ny vahoaka malagasy tsy ankanavaka. Tanterahina ny 21 hatramin’ny 24 desambra izao, ao amin’ny Kianja Masoandron’ny Rovan’i Madagasikara, ny «Concert de Noel». Hetsika fankalazana ny krismasy omanin’ny filohan’ny Repoblika mivady, miaraka amin’ny fiadidiana ny […]
Boky « Restez vivants » : Manoritra ny lalan’ ny Slam malagasy
Boky voalohany mirakitra ny tantaran’ny Madagaslam, indrindra ny eto Antananarivo sy ny manodidina, ny « Restez vivants ». Na Hassi, anisan’ireo mpiangaly ny Slam poésie sangany eto Madagasikara no niandraikitra ny fanoratana izany. Nandritra ny Slam national 15 farany teo no nivoahany. Ankoatra ny tantaran’ny Madagaslam sy ny fihetsiketsehana nataony hatramin’izay, hitantarana olona […]
TARATRY ny KANTO
Tanterahina manomboka anio hatramin’ny 20 desambra izao ny hetsika “Patrimoine, Patrimonialisation, enjeux patrimoniaux ». Hetsika hanasongadinana sy hampahafantarana ny lanjan’ny vakoka eto Madagasikara. Ny Oniversiten’Antananarivo miaraka amin’ny IFM Analakely sy ireo mpiara-miombon’antoka maro no mikarakara izany. Fampirantiana, velakevitra ary valandresaka no handravaka ny fotoana. Nifarana ny taona Sehatra Bagasy 2024. Fantatra […]




