kolon-tsaina

Tontolon’ny soratra: voafidy ireo hitondra ny Malagasy Manoratra

Nifarana tamin’ity volana febroary ity ny fe-potoana niasan’ny birao nasionaly ho an’ny fikambanana  Malagasy Manoratra, notarihin-dRakotoarimanana Sandanomena, filoha teo aloha. Niroso tamin’ny fanavaozana ny birao izy ireo. Voafidy ho eo amin’ny toeran’ny filoha nasionaly, ny alahady 4 febroary teo, i Njarasoa RA. Voatazona ho sekretera jeneraly i Nah Haja raha toa […]

Vakok’Arts Trano –Toliara : mizara ny traikefany Rajery

Efa any Toliara ry Rajery sy ny ekipany, nanombokany alatsinainy teo. Omaly talata, efa nitarika ny fihaonana amin’ireo mpanakanto any an-toerana, izay liana amin’ny mozika miaina ity andrarezin’ny valiha ity. Fizarana traikefa kokoa fa tsy fampianarana no nentin-dRajery. Maro ireo manan-talenta any Toliara, indrindra ireo mpanakanto mifanerasera ao amin’ny Vakok’Arts […]

« Nikon Festival 2024 » : mandray anjara ny sarimihetsiky Ranarison Andry

Anisan’ny fahombiazana sahady ho an’ny ity tanora malagasy mpanatontosa sarimihetsika ity ny nahavoafantina azy ho mpandray anjara amin’ny « Nikon Festival ». Mba hahafahany mandrombaka ny amboara, mila tosika sy tohana lehibe izy. Mitombo hatrany ny Ma­lagasy mpanatontosa sarimihetsika, miakatra amin’sehatra iraisam-pirenena. Ranarison Andry indray no mandray anjara amin’ny fifaninanana « Nikon Festi­val », […]