kolon-tsaina

Anoka Ba Gasy: hamerina ireo hira tsy tontan’ny ela

“Hanina an’i Neny. Hira anisan’ny nampalaza ny fampiaraham-peon’i Barijaona sy O’Suzah izy ity. “Hira noforonin’ny anadahin-dreniko, Ran­dria Gervais, ny Hanina an’i Neny. Nampihiraina an-dry Barijaona izany, ary tena be mpankafy. Ankehitriny haverinay Anoka Ba Gasy indray ny hira”, hoy ny nambaran-dRalanto. Iray amin’ireo mpikambana mandrafitra ny tarika Anoka Ba Gasy. […]

“Ripo” andiany fahadimy: voafantina handray anjara Rabearivelo Dina

Fanararaotra, ahafahana maneho ny maha izy ny haikanto malagasy, indrindra ny azy manokana, ny fampirantiana iraisam-pirenena. Maro ny olona mifanerasera sy tonga miatrika io fotoana io amin’ny maha fihaonam-be iraisam-pirenena azy. Tanterahina ny 13 hatramin’ny 18 febroary 2024, any Ouagadougou Bur­kina Faso, ny Rencontres internationales des peinture de Ouagadougou (Ripo), […]

“Grand Poetry Slam 2024”: efa miomana ny mpikarakara

Tanterahina ny 6 hatramin’ny 12 mey 2024, any Paris Frantsa, ny «Grand Poetry Slam”, fifaninanana hiadiana ny amboara maneran-tany eo amin’ny poezia sy ny slam. Firenena maro no mandray anjara amin’izany ary anisan’ny manana solontena i Ma­dagasikara, amin’ny alalan’ An­dria­manantsoa Santatri­niaina na i Santa. Efa eo am-panomanana tanteraka izany fifaninanana […]

«Bandy Rangahy 2024»: eny amin’ny Madagascar Espace ry Samoëla

Tsapa ho nangetaheta tsy mbola afapo ireo mpankafy tamin’ny zoma lasa teo… Maromaro rahateo ny tarika nandray anjara tamin’ilay “To­lo-tanana ho an’i Mikakely”. Samoëla ranoiray kosa ny anio alina, eny amin’ny Mada­gascar Espace eny By Pass, manomboka amin’ny 9 ora alina. Natao ho an’ireo mpankafy izay miandrandra izany foana izy […]