Tonga nijery ny fizotran’ny fampiasana ny tapakila nomerika, amin’ny fidirana eny amin’ny Rovan’i Madagasikara, Rakotondrazafy Lalatiana, minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina. Nanomboka omaly ny fampiasana ity fomba fiasa vaovao ity. « Fanomezana endrika tsara sy fanamorana ary fampirindrana ny fitsidihina ity vakoka manana ny maha izy azy ity no tanjona […]
kolon-tsaina
« Festival Temps Fort Danse » : fotoan-dehibe ho an’ny mpandihy ny hetsika
Hianoka hetsika goavana ny fianakaviamben’ny mpandihy, afaka andro vitsy. Fifampizarana fahaiza-manao sy traikefa, seho goavana sy fampianarana. Ireo no handrafitra ny 3 herinandron’ny hetsika. Tontosa omaly, teny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, nampahafantarana ny mahakasika ny « Festival Temps Fort Danse 2023”. Eny […]
Lalaon’ny Nosy : misy ny sehatra ho an’ny haikanto sy ny kolontsaina
Misokatra manomboka anio hatramin’ny 2 septambra 2023, eny amin’ny Village Voara Andohatapenaka, ny “Village Culturel des jeux des îles”. Hetsika natokan’ny mpikarakara ny lalaon’ny Nosy hampahafantarana ny zava-misy eo amin’ny haikanto sy ny kolontsaina, avy amin’ireo nosy mandray anjara. Tanjon’ ny hetsika ny hampahafantatra ny kolontsain’ireo nosy manodidina, indrindra ny eto […]
MSK-OIF : mihamafy ny fiaraha-miasa
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy,omaly, teny amin’ny Alliance française d’Antananarivo (AFT Andavamamba), ny hetsika fampirantiana “La Francophonie dans la diplomatie et à travers les contenus Culturels Malagasy”. Fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina (MSK) sy ny « Organisation Internationale de la Francophonie (OIF) » ary ny AFT Andavamamba no nahatanterahan’izao hetsika izao. Tanjona […]
Mozika miaina : namoaka ny rakikira « Fito – Seven » Rajery
Mpanakanto 43 taona nitendrena valiha. 40 taona niakarana sehatra. 30 taona niatrehana ny sehatra iraisam-pirenena. Hita taratra ao anatin’ny rakikira « Fito – Seven » avokoa ireo traikefa ireo. Mpanakanto manana ny lazany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ! Nampahafantarin-dRajery, omaly, tao amin’ny Carlton Anosy, ny fivoahan’ny rakikira vaovao « Fito – Seven ». Hira 9 no voarakitra ao […]