Hitondra atrikasa mahakasika ny fanaovana petakofehy eny amin’ny Fondation H Ambatomena i Carine Ratovonarivo, anio. Ho hita mandritra izany avokoa ny antsipiriany amin’ny fanaovana petakofehy, miantomboka amin’ny fifidianana kofehy ka miafara any amin’ ny fanaingoana ny asa vita. Ilay atao fitaratra mihitsy no tsy hita. Endriky ny kolontsaina ankehitriny io? […]
kolon-tsaina
«Le Meilleur Patissier» : Tafita amin’ny famaranana Razafinimanana Tsiory
Tontosa ny alakamisy teo, tany Frantsa, ny dingan’ny manasa-dalana amin’ny fifaninanana “Le Meilleur Patissier”. Tafakatra amin’ny dingan’ny famaranana i Tsiory Razafinimanana. Ny Televiziona M26 ao Frantsa no nikarakara ny fifaninanana izay efa miditra eo amin’ny andiany faha-13. Haify sy nahandro no tsaraina sy hasongadina ao anatin’izany. Ankoatra ny fitrandrahana ireo […]
Tsanganafo: Efa nivoaka ny laharana faha-11
Azon’ny rehetra jifaina nanomboka ny fiandohan’ny volana janoary ny Tsanganafo, laharana faha-11. Revio niomerika ahitana lahatsoratra maro samihafa momba ny tantaran’i Madagasikara, ny fomba amam-panao malagasy, teny, literatiora, ireo karazana kabary. Hita ao anatin’ny koa ny momba ireo harena voajanahary eto Madagasikara sy ny zavakanto. Tomponandraikitra amin’ny famolavolana sy fanatontosana […]
Famoahana boky : Ho maro saingy anatin’ny tsy fanarahana lamina
Manomboka mampahafantatra ny vina 2025 ny mpanakanto. Anisan’ny misongadina amin’izany ny famoahana boky sy ny sanganasan’izy ireo. Tsy ny mpanoratra ihany fa saika ahitana an’io avokoa ny kanto ankapobeny. Hamoaka boky izahay! Io ny ankamaroan’ny vina na dingana hotanterahin’ny tontolon’ny kolontsaina amin’ity taona 2025 ity. Ireo mpanoratra hamoaka ny sanganasany […]
TARATRY ny KANTO
« Tsiahy ho an’ny fahaterahan’ny Repoblika ». Mitohy hatrany ny fampirantiana ho fampahafantarana ny tantaran’i Madagasikara, indrindra nanomboka teo amin’ny naha tany Repoblikanina azy. Eny amin’ny Lapan’Andafiavaratra no ahitana izany nanomboka ny 14 oktobra 2024, hatramin’izao. Hisy ny atrikasa sy fampianarana ary fifampizarana mahakasika ny sokajina hatsikana « Stand Up », anio tolakandro, eny […]