Hotanterahina anio, manomboka amin’ny 9 ora maraina, eny amin’ny Kianjan’Andohalo ilay hetsika lehibe tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny fiverenan’ny fahaleovantenam-pirenena. «Andro iray, kolontsaina arivo», hamerenana sy hampahafantarana indray ireo kilalao fanaon’ny Malagasy fahiny. Tafiditra ao anatin’izany ny fanorona, katro, vitsilihy, fampiadiana ravina, sns. Ankoatra ireo, hisy ny fampianarana mamboatra harendrina. […]
kolon-tsaina
Fetim-pirenena : Sehatra ho an’ny kanto marolafy ny etsy Mahamasina
« Podium », sehatra ho an’ny mozika no nahafantarana ny etsy amin’ny Kianja Mahamasina hatrizay, Niova kely kosa ny amin’ity. Natao ho sehatra ho an’ny kolontsaina marolafy, izay noraisin’ny Ofisim-pirenena misahana ny zavakanto sy ny kolontsaina (Ofnac) an-tanana. « Novelarina mba homen-danja avokoa ny seha-kanto izay azo hasongadina: teatira, poezia, sokitra, hosodoko, saripika, […]
Garage Mozika Ultimate Show : Hiray sehatra ry Iraimbilanja, Mage 4, Rheg The Gang
Tafaraka ireo tarika andrarezin’ny mozika rock. Ho fanamarihana ny faha-5 taona nisian’ny Garage Mozika. Ho an’ny firaisankinan’ny rock eto amin’ny tanàna. Hisy ny fampisehoana lehibe nampitondraina ny anarana « Garage Mozika Ultimate show » hotanterahina eo amin’ny Kianja Barea Mahamasina (Parvis 1), ny alahady 5 jolay izao, manomboka amin’ny 2 ora sy […]
TARATRY ny KANTO
« Ambiance Latin Jazz » hiarahana amin’ny Le Groupe 4/4. Haneho ny fahaiza-mitendry sy mitsoka ary mikapoka zavamaneno sy ny fampiarahana izany ry Do Andriambelo eo amin’ny gitara beso, Mbola Andrianoelina hitendry ny piano, Mihaja Rakotoarisoa hikapoka ny amponga maroanaka, i Titi Razakamiadana sy Naivo Andriambelo kosa no hitsoka ny saksôfônina. Seho […]
Sarimihetsika malagasy: Mpisehatra 156 nomena mariboninahitry ny kanto
Tazana tao avokoa ireo mpilalao sarimihetsika be mpankafy. Nahazo ny mari-boninahitry ny kanto koa anefa ireo mpisehatra tsy tazana amin’ny fahitalavitra… 57 nomena ny « Commandeur », 41 « Officier » ary 58 kosa « Chevalier ». Niisa 156, araka izany, ireo mpisehatra anatin’ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy nomena ny mariboninahitry ny kanto, ny soratra ary ny […]




