Eto Madagasikara no hanaovana ny fikarohana. Malagasy no mikaroka. Amin’ny fiteny vahiny no hanatanterahina ny fanohanan-kevitra sy ny boky havoaka miaraka aminy. Tranga hita sy iainana eny amin’ny ankamaroan’ny fianarana ambaratonga ambony na miankina amin’ny fanjakana na tsia io. Mahavariana tanteraka fa mpikaroka momba ny sikidy, fanandroana, fanorona, kanefa misafidy […]
kolon-tsaina
The Dizzy Brains : Seho maromaro atsy La Réunion
4 andro misesy, amin’ny toerana samihafa. Nanainga omaly, nihazo ny Nosy La Réunion ny The Dizzy Brains. Hanomboka rahampitso kosa ny andiam-pampisehoana hotontosain-dry Eddy Andrianarisoa sy ny tariny, any an-toerana. Ao amin’ny Café Doumoun – La Montagne ny voalohany, ny 7 novambra. Hitohy ao amin’ny Bisik Saint Benôit, ny 8 […]
« Festival du Mois de la Photo » : hanehoana ny lanjan’ny saripika
Anisan’ny vavolombelon’ny tranga iray ny sary. Ilaina anefa ny mamantatra ny fototra sy ny fenitra amin’ny fanatontosana azy. Izany indrindra no antom-pisian’ny « Festival du Mois de la Photo », ho fampiroboroboana izany ao anatin’ny fenitra tena izy sy matihanina. Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy, omaly, teny amin’ny Alliance Française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba, […]
TARATRY ny KANTO
Ho avy eto Madagasikara i Amine Radi. Mpanao hatsikana maraokanina, monina any Frantsa izy. Hisy fampisehoana hataony ny 13 desambra izao, eny amin’ny CCI Ivato, izay karakarain’ny Ami Vision Madagascar. Irony hatsikana miendrika video miparitaka amin’ny tambajotran-tserasera irony no tena nahafantarana an’i Amine Radi. Anisan’ireny ny nanaovany ilay hoe “Quand […]
« Beatbox Battle Madagascar »: tompondaka fanindroany i Kelly West
Fredo Rakotondrina, fantatry ny maro amin’ny anarana entiny miantsehatra hoe Kelly west, no nahazo ny laharana voalohany tamin’ny fifaninanana “Beatbox Battle Madagascar 2024” teo amin’ny sokajy Solo. Notanterahina ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Cercle Germano Malagay (CGM) Analakely, ny dingana famaranana tamin’izany. Araka ny nambaran’ny mpikarakara, efa tena ambony […]




