Eny amin’ny FLM Ambatonjara By-pass, indray, ny Tanora Masina Itaosy no hanatanteraka « concert » na fampisehoana an-tsehatra iray manontolo, ny alahady 8 septambra izao, manomboka amin’ny 2ora sy sasany tolakandro. Hifantoka amin’ny lohahevitra : « Matokia, mitsangana, miantso anao izy » (Mar. 10 :49b) ny seho. Marihina fa feno tanteraka ny fandaharam-potoanan’ny Tanora Masina Itaosy, […]
kolon-tsaina
Ny soa fianatra: mirakitra tantara ny kihon-dalana
Voasokajy ho anisan’ireo firenena “tranainy” maneran-tany i Italia. Nandia tranga sy zava-nisy maro nolalovany tao anatin’ny fotoana naharitra. Fantatra fa ity firenena ity no manana tsiahy sy rakitra maro indrindra ho an’ny mponina ao an-toerana sy ho an’ny vahiny, raha momba ny tantara. Isaky ny kihon-dalana, na toerana na kianja […]
Diary Nofy: hisy fandaharana handrisihana ny vakiboky
“Tanjona ny fandrisihana ny ankizy amin’ny vakiboky. Mba hanatrarana izay no anton’ity fandaharana amin’ny onjam-peo ity”, hoy ny nambaran’i Oliva Rafetison, avy ao amin’ny Diary Nofy, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, omaly, tetsy amin’ny Tranomboky monisipaly Analakely. “Koko & Friends” ny lohatenin’ny fandaharana, izay handeha ao amin’ ny onjam-peo […]
Tranomboky Analakely: nahasarika mpijery maro ny fampisehoana majika
Anisan’ny zavakanto mbola miezaka mametraka ny toerany, eto Madagasikara ny majika. Maro ny ezaka ataon’ny tomponandraikitra amin’izany. Efa manomboka mahita vokany ny mpikarakara ankehitriny, noho ny fitomboan’ireo mpankafy ny hetsika Tontosa omaly, teny amin’ ny Tranomboky monisipaly Analakely ny “Scene Ouverte Magie”. Hetsika karakarain’ny avy eo anivon’ny Tranomboky monisipaly sy […]
TARATRY ny KANTO
Ndaty Lahy, any amin’ny Alliance française Toliara. Hizara ny mozikany ry Anthony sy ny tariny, ny alakamisy 5 septambra izao, manomboka amin’ny 7 ora hariva. Ny beko mifangaro gadona maroloko hatrany, izay entin’izy ireo mamaky ny tsenan’ny mozika eto sy any ivelany no hoentin-dry zalahy eo. Tahiry Andriamanoro, etsy amin’ny […]




