kolon-tsaina

Kolontsaina sy kolosaina: miaina anaty kisarisary ny Malagasy

Manana ny anjara toerana lehibe eo amin’ny fampivoarana ny maha olona ny kolontsaina sy ny kolosaina. Raha ireo no atao antsirambina, maro ny zavatra miova. Mety ho very hatramin’ny fototra mihitsy aza… Raha ny famaritan’ireo manam-pahaizana manokana momba ny tantara sy ny fomba amam-panao : «ny fananana tanindrazana, tenindrazana, tantara sy fomba amam-panao» […]

TARATRY ny KANTO

Manana mpikabary maro i Madagasikara ! Nandritra ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny FI.MPI.MA. Ny taona 2023 sy 2024, miisa 5868 ny mpianatra kabary navoaka. Ny 2505 navoaka ny taona 2023, ny 3363 ny taona 2024. Maherin’ny 300 kosa ny mpampianatra niara-nisalahy niandraikitra izany. Ho an’Antananarivo manokana, mahatratra 810 ireo mpianatra navoaka […]

Fanabeazana maha olona : tsy ampy hira malagasy ireo taranaka

Hira, iray amin’ireo fomba na fitaovana nentin’ny Mala­gasy nanabe sy nitaiza ny zanany. Tany ambadik’Imana­reza, tsy nahenoina hira vahiny nokaloin’ny taranaka malagasy, teo amin’ny tontolon’ny fanabeazana. Nahazo laka ny fihirana ny « Diavolana fenomanana takariva », « Fialo­nana », sns. Tafiditra tao anatin’ny fanabeazana avokoa ny tahaka ireny. Nanana ny akony tamin’ny taranaka Malagasy. […]

Tantaram-pirenena: havoaka anio ny boky “Feux, fièvres, forêts”

Ela niandrasana ny mpankafy boky malagasy, indrindra ireo liana amin’ny resaka tantara. Maro ny vahiny no babon’ ity “Feux, fièvres, forêts” ity, indrindra nandritra ny famoahana azy voalohany ny volana marsa 2023. Tanterahina anio, eny amin’ny Trano fivarotam-boky « Il était une fois » Ankorondrano, ny fanehoana ny boky “Feux, fièvres, forêts”, […]