“Ny tranon’ny velona”. Io indray ny lohahevitry ny fampirantiana manaraka, hatao ao amin’ny Mozean’ny saripika, eny Anjohy. Mbola eo am-panomana, fa ny 9 novambra vao hisokatra ho an’ny besinimaro izany. Fampirantiana hanehoana ireo taotrano malagasy isan-karazany, maneho ireo kanto sy fahaiza-manao samihafa ao anatin’izay trano fonenana izay izy ity. Halefa […]
kolon-tsaina
Foaran’ny fialamboly : hampivondronana ny karazana kilalao
Hotanterahina etsy amin’ny CCI Ivato, ny 2 sy 3 novambra izao, ny “Foaran’ny fialamboly”, andiany voalohany. Hetsika karakarakain’ny Magic Land. “Natao hampiroboroboana ny sehatry ny fialamboly eto Madagasikara sy hampivondronana ireo olona misehatra amin’ny tontolon’ny fialamboly anaty tambajotra sosialy isan-karazany ny tsenabe”, hoy Rafehivola Finaritra, tomponandraikitry ny hetsika, nandritra ny […]
Trano Sary Ambohidahy : mitohy ny fampirantiana ny tantara
15 oktobra 1896. Datin’ny nitifirana ny jeneraly Rainandriamampandry sy ny Printsy Ratsimamanga teny Antaninarenina io. Tsiahivina isan-taona ity fotoana ity, satria anisan’ny nanamarika ny tantaran’i Madagasikara. Nisy ny fampirantiana izay natao teny amin’ny Rovan’Antananarivo, omaly. Hitohy manomboka anio, etsy amin’ny Trano Sary Ambohidahy izany, ka haharitra elaela kokoa mba hahafahan’ny […]
Profesora Irène Rabenoro: vehivavy filohan’ny Akademia Malagasy voalohany
Anisan’ny mampiavaka ny profesora Irène Rabenoro ny maha manam-pahaizana mazoto miasa, tsara tohana ary mitsinjo ny tombontsoam-pirenena sy ny mpiara-belona. Araka ny nambarany, anisan’ny antoky ny fandrosoan’ny firenena ny fanajana ny teny sy ny fampivelarana izany. Voafidy ho filoha hitantana ny Akademia Malagasy manomboka amin’ity taona 2024 ity hatramin’ny 2027, […]
Taratra ny kanto
Tanterahina ao amin’ny Salle Albert Camus, IFM Analakely, anio tolakandro, ny fampisehoana “152ème Concert classique de Midi”. Hetsika karakarain’ny Madagascar Mozarteum, andraisan’i Fabio Rakotozanany, eo amin’ny fitendrena Piano, sy i Mino Rakotoarisoa, eo amin’ny fihirana. Lasan’i Laurino Gourio ny amboara « Prix meilleur documentaire court » nandritra ny fifaninanana Silicon Valley […]





