kolon-tsaina

TARATRY ny KANTO

Tanterahina anio, eny amin’ny CGM Analakely, ny « Sokaf’hehy ». Fampisehoana hatsikana, iarahana amin’ireo mpikambana ao anatin’ny Gasy Stand Uppers. Ny karazana hatsika Stand Up no tena hisongadina mandritra izany. Misokatra ho an’ny rehetra, ao anatin’ny fa­najana fepetra, ny fandraisana anjara. Vitsy sisa ny tapakila afaka jifaina ho an’ny fampisehoan’ny tarika Mage […]

Mba tsy ho endrika ivelany : hamerina ny hasin’ny kolontsaina ny mpikaroka

Miverina eny an-doharano! Faheno matetika io raha eo amin’ny tontolon’ny kolontsaina malagasy. Tao anatin’ny 15 taona, niroborobo fatratra ny fety asiana kabary. Ny fi­haonana, itafiana lamba. Ny fomba, hiakanjoana malabary, sns. Mba tsy ho endrika ivelany fotsiny izy ireny. Mivon­drona ao anatina sehatra iray ny mpikaroka, mpahay fomba, mpampianatra, raiaman-dreny, […]

Raha tahaka izao…: tsy maika ny fandikan-teny

Na, manao fampitahana, na mandika ny teny vahiny amin’ ny teny malagasy! Saika iharan’io fandaniam-potoana tsy hitondra vokatra tsara ho an’ny fampivelarana ny teny malagasy io ny ankamaroan’ny Malagasy. Lesoka tamin’ilay « fanagasiana » (Repoblika faharoa), manomboka miverina sy miha mahazo vahana indray amin’izao fotoana. Inona ny azo handikana ny hoe… amin’ny […]

Franglish eto Madagasikara : mampanantena fampisehoana miavaka ny mpikarakara

Nisy ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety nampahafantarana ny mahakasika ny fampisehoana ho ataon’i Franglish eto Madagasikara. Hiavaka ary tena goavana ny fampisehoana, araka ny nambaran’ny mpikarakara. Hanatanteraka fampisehoana lehibe eny amin’ ny Lapan’ny Kolon­tsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina, ny 22 septambra 2024, i Franglish. Tera­tany frantsay mpanakanto izy, ary […]

Mpitendry, mpamorona, mpikarakara hetsika: vonona ny hanohy ny lalany i MC Dinah

Randrianarisoa Dinah, fantatra amin’ny anarana MC Dinah eo anivon’ny tontolon’ny hira sy ny fitendrena gitara ary ny famoronana. Taona 2016, nifoha ny aingam-panahy hoentiny mamoron-kira. Nohalalininy ihany koa ny fomba fitendrena ny gitara. Voaforony ny « Let’s sing together », hira voalohany. No­ho ny fifampikasohany tamina mpanakanto hafa, tahaka an’i Fy Rasolofoniaina, Eddie […]