kolon-tsaina

Fahendrena sy hasina maha Malagasy: Nankalazaina omaly ny santatry ny fanetsana

Ny rindra sy lamina ara-boajanahary, izay zary lasa fahendrena sy mpikolo ny sain’ny Malagasy, no najaina ka nivadika ho fomba. Izany no lovaina sy ataon’ireo taranaka aty aoriana, ho fanomezana hasina ny rehetra sy anton’ny fankalazana. Notanterahina omaly, teny Mandriarika Ankazobe, ny lanonana ara-pomba malagasy nanaovana ny santatry ny fanetsana. […]

TARATRY ny KANTO

Hisy atrikasa ho an’ny hosodoko, izay hotontosaina ny 19 hatramin’ny 26 oktobra ho avy izao, eny Antanetisoa Tanjombato. Mahatratra 15 eo ho eo ireo hisitraka izany, izay efa milomano ao anatin’ny hosodoko avokoa. Natao hampitana ny karazana hosodoko toy ny nataon’i Joseph Ramanankamonjy izy ity, no fanomezam-boninahitra azy koa. Miara-misalahy […]

“Beatbox Battle Madagascar 2024” : efa fantatra ireo hiatrika ny famaranana

Nampahafantarin’ny mpikarakara ny “Beatbox Battle Madagascar 2024” omaly, teo amin’ny pejy ofisialiny ireo mpifaninana hiatrika ny dingana famaranana. Hetsika ho tanterahina ny 2 novambra 2024 eny amin’ny Cercle Germano Malagasy (CGM) Analakely. “Mafy ary efa miakatra ny lentan’ny fifaninanana. Tena nanahirana ny nifantina ireo hiatrika ny dingan’ny famaranana noho ny […]

“Tana Reggae Night” : hahazo tombony ireo vao misandratra

Tanterahina anio hariva, eny amin’ny Jao’s Pub Ambohipo ny “Tana Reggae Night”. Hetsika karakarain’ny fikambanana Fianara Reggae Festival sy ny Projet Ony. Mpanakanto maro mivoy ny gadona Reggae no handray anjara amin’izany. Anisan’izany ry Reggasy, 6Watt, Eka Zaho, Jah Roots, Malagasy Vibration ary Mashmanjaka. Fampisehoana Reggae ranoray izy ity. Ankoatra […]