Mitohy hatrany ny fiofanan’ireo mpilalao tantara amin’ ny onjam-peo mivondrona amin’ny Bira Ti’Art, ao Antsirabe. Nambaran’ny mpitarika azy ireo fa ilaina ny fanamafisana hatrany ny fahaiza-manao efa ananana sy ny fifampizarana traikefa amin’ ireo mpilalao tantara avy aty Antananarivo. Ireo sangany amin’ny filalaovana tantara rahateo no tonga tany Antsirabe. « Misy […]
kolon-tsaina
AFT sy IFM : Mitohy ny « Volan’ny teatra »
Volana marsa, « Volan’ny teatra ». Mitohy hatrany ny hetsika sy ireo seho isan-karazany mifandraika amin’io vanim-potoana io. Ho an’ny eto an-dRenivohitra, toerana roa no ahitana izany. Ny etsy amin’ny Alliance Française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba sy ny Institut Français de Madagascar, Analakely (IFM). Anisan’ny hetsika hotanterahina ny 15 marsa izao, ao amin’ny […]
25 taona nihirana: Hanolotra ny « Seho tena matihanina » i Lôla
Anisan’ireo mpihira manana sanganasa maro manamarika vanim-potoana sy tranga maro i Lôla. Tao anatin’ny 25 taona no nampahafantariny izany. Tsy ho lalovam-potsiny io vanim-potoana io. «Raikitra io e » ! Tena raikitra tokoa fa ny tolakandron’ny alahady 30 marsa izao, hanomboka amin’ny 2 ora sy sasany, etsy Antsahamanitra, no hiaka-tsehatra anatin’ny « Seho […]
TARATRY ny KANTO
« Rire – Délire », etsy amin’ny AFT Andavamamba. Hatao sehatra malalaka ho an’ny fialamboly, anatin’ny hatsikana sy ny soratra ary izay mety ho rediredy eo ny anio sabotsy 8 marsa, manomboka amin’ny 2 ora. Afaka miaka-tsehatra izay te hanandrana na efa mpanao hatsikana. Afaka manatrika ny atrikasa mahakasika izany izay entanin’ny […]
Mozean’ny saripika : Hasongadina ireo vehivavy nanamarika ny tantara
« Femmes, Audace, Héritage: Portrait ». Izay ny lohahevitry ny fampirantiana manaraka, hotontosaina ao amin’ny Mozean’ny saripika eto Madagasikara eny Anjohy. Hanomboka ny 12 marsa izao izy ity, ka amin’ny 12 ora ny fanokafana. Hanasongadinana ireo vehivavy izay nanamarika ny tantaran’i Madagasikara ny tena tanjon’ny fampirantiana. Manomboka any amin’ireo mpanjakavavin’i Madagasikara, mandalo […]