kolon-tsaina

Sarimihetsika malagasy : Miandrandra vokatra tsara kalitao amin’izay

Nisy fotoana nampiroborobo fatratra ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy. Nihena miandalana, anefa, izany. Nihena nanaraka io ihany koa ny lenta na ny kalitao sy ny fenitra samihafa. Ankehitriny, miandrandra vokatra tsara. Iray amin’ireo zavakanto sy kolontsaina mahasarika Malagasy maro ny sarimihetsika. Raha ny lalana nodiaviny. Efa tokony tafakatra amin’ny dingana ambony […]

« Festival des baleines »: Kolontsaina, ho tosika ho an’ny fizahantany

Manodidina ny volana jolay eo ny fandalovan’ireo trozona aty amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara. Any amin’ny Nosy Sainte Marie no tena mahita maro azy ireo, isan-taona, ka amin’izay koa no mahabe ny mpizahatany. Ho fanomezana tosika izay fahatongavan’ny vahiny izay indrindra no nanaovana ny « Festival des baleines ». Hatao ny 11 hatramin’ny 19 […]

TARATRY ny KANTO

Be mpankafy ny tantara an’onjampeo, ka maro toa izany koa ireo te hilomano anatin’ity seha-kanto iray ity. Niisa 19 mianadahy ireo niatrika fiofanana momba izany, tany amin’ny faritra Ihorombe, ny faran’ny herinandro teo. Ny lafiny famokarana sy fanatontosana no tena niompanan’ny fiofanana izay natao tao amin’ny Tosik’Art, ao Ankily, Ihosy. […]

Sarimihetsika : Nomen-danja ny famoronana

“Mba hahazoana vokatra misy kalitao, manaraka ny fenitra iraisam-pirenena”. Tan­jona lavitra ezaka izay, kanefa efa mirona mankany ireo mpisehatra anatin’ny tontolon’ny sarimihetsika eto amintsika. Nisy ny atrikasa roa izay natokana ho an’ny famoronana anatin’ny sarimihetsika, tetsy amin’ny IFM Analakely. Maha­kasika ny fanomanana horonantsary lava ny voalohany, niarahana tamin’ireo mpisehatra avy […]