kolon-tsaina

Faribolana Sandratra : Hanatontosa ny “Hadimiana Sandratra”

Tsy ataon’ny Faribolana Sandratra mandalo fotsiny ny Iray volan’ny teny malagasy. Hitondra ny anjara birikiny amin’ny fanandratana ny literatiora malagasy ry zareo, mandritra ny dimy andro, etsy amin’ny Efitrano Dox, Trano­mbokim-pirenena Anosy, ny 8 ka hatramin’ny 12 jona izao. “Hadimiana Sandratra” rahateo ny anarana nampisalorana ny hetsika hatao amin’ireo fotoana […]

Sehatra bagasy: Hisesy ny « Atrikefa » sy ny « Zarasehatra »

Hametraka tantara lehibe ho an’ny taranaka any aoriana ny Sehatra bagasy, amin’ity volana jona ity. Araka ny fandaharam-potoana nampitaina, rahampitso manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro no hanatanterahina, ao amin’ny efitrano malalaky ny Trano fiantohana Aro, An­tsahavola, ny “Atrikefa bagasy”. Hiarahana amin’i Salomon (Kintana Telo) izany. Fotoana hamaliana ireo […]

TARATRY ny KANTO

Nahaliana ny mpianatra sy ireo mpandala ny teny malagasy ny « Takalo am-pamoloana » notontosaina tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena, omaly. « Ny voambolana malagasy mahasadaikatra : fady sa azo tenenina ? » no novoaboasan’ Ny Mpanabe Tsara. Lohahevitra tsara safidy, satria efa ela no nanitikitika ny rehetra ny fampiasana ny teny malagasy tena izy, kanefa voalaza fa […]

« Play Lisitra Manaraka » : Sehatra lehibe ho an’ny Hip-Hop Malagasy

Hanasongadina ny talentan’ireo mpisehatra amin’ny rap sy ny Hip-Hop amin’izao fotoana. Izay hatrany ny antom-pisian’ny hetsika « Play Lisitra ». « Play Lisitra Manaraka » no nampisalorana ny andiany faharoa, izay hotontosaina ny 13 jona izao, etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Nitondra ny fanazavana momba ny hetsika ry zareo avy ao amin’ny Kolontsaina Mainty, […]

Andriamirija Jary : Hamerina ny hasin’ny tantara an-tsary

Miezaka mamerina ny ha­sin’ny tantara an-tsary, ankehitriny, Andriamirija Jary. Ho fanatrarany izany tanjony izany, natsangany ny Hay – sary, hirosoany amin’ny tontolon’ny matihanina. Efa maro ireo boky navoaka anehoany ny sanganasany, toy ny “Fa­naiky”, “Melisy”, “Maditra”, “Inspecteur Dadilo”, “Vipera”, “Rohy”, “Romantika Gasy”. Miezaka hamoha sy hamerina indray ny lanja sy […]