Manomboka mifanaretsaka ny hevitra samihafa. Mipoitra etsy sy eroa ireo fanontaniana maro. Samy manezaka sy mandroritra ny fahalalana ao aminy ny tsirairay. Tsy mitovy rahateo ny sehatra niaingana, hany ka tsy mety mifameno ny hevitra. Raikitra ny : « ireny ka tena zavakanto » ! « Izany ka tena mpanakanto » ! « Kanto tokoa ny zava-bitan’iny olona […]
kolon-tsaina
IKM Antsahavola: hankalaza ny faha 10 taonany
Ivotoerana iray mampiroborobo sy miantsoroka ny fanandratana ny kolontsaina ny Ivotoeranan’ny Kolontsaina Malagasy na IKM eny Antsahavola. Mankalaza ny faha 10 taonany ity ivotoerana ity amin’ity taona 2023 ity. Tanjona napetraka hatramin’izay ny fanabeazana amin’ny alalan’ny kolontsaina. Dingana sy vina maro no napetraka sy notanterahin’ny IKM Antsahavola tao anatin’izay fotoana […]
Misesy ireo mpanakanto vahiny… : efa lany ny tapakila 400.000 Ar amin’ny sehon’i Tayc!
Nisy ireo tsy dia nahazo mpijery firy… Fa ny ankamaroan’ireo mpanao rap sy afropop vahiny nandalo teto Madagasikara kosa dia maro mpankafy. Anisan’ireo andrasana mafy i Tayc, araka ny efa nampanantenain’ny mpikarakara tamin’ny volana desambra lasa teo. Fantatra mantsy fa efa lany ny tapakila sokajy VVIP, izay namidy 400.000 Ar […]
Fetin’ny mpifankatia: hiaka-tsehatra i Mbossa sy i Moina
Hafana indray ny faran’ny herinandro amin’ity indray mitoraka ity… tafiditra indrindra amin’ny fankalazna ny « Fetin’ny mpifankatia »… Hitondra ny mozikany etsy amin’ny Le Zoma Faravohitra i Mbossa sy i Moina, ny zoma 10 febroary izao, manomboka amin’ny 7ora sy sasany hariva. Hira anisan’ny ahafantarana azy ireo ny “Ho an’ialahy” izay efa […]
Miss Madagascar 2023: anatin’ny fanomanana ny mpikarakara
Efa vonona amin’ny fanatanterahana ny fifaninanana ny mpikarakara ny Miss Madagascar 2023. Fanarahana ny fandaharan’asan’ny mpikarakara ny Miss World 2022 no anton’ny fahatarana raha ny nambaran’ny mpikarakara. Mbola tsy fantatra mazava ny datin’ny fifaninanana hatramin’izao. “Ho tanterahina iray volana aorian’ny Miss World 2022 ny fifaninanana Miss Madagascar 2023.” Hoy Rakotoniaina […]