Natao ny sabotsy teo, tetsy amin’ny Palais de sports Mahamasina, ny fampisehoana maimaimpoana nataon’i Rija Rasolondraibe. Nampitondraina ny lohateny hoe : “Izay vonona no mandeha”. Nanakoako tao an-toerana ny hiram-piderana fisaorana an’Andriamanitra. “Fanati-piderana hisaoran’Andriamanitra ny fampisehoana natao iny ho anay ary efa faniriana sy efa ela tao am-pon’ i Rija Rasolondraibe […]
kolon-tsaina
HAIKANTO: tsy voatery hifanitsy ny lova voajanahary eo amin’ny talenta
« Tsy mahagaga… Ny dadabeany efa mpitendry zavamaneno »! Tsy voatery ho izay anefa. « Manan-talenta avokoa ny olona tsirairay ». Mety ho marina avokoa ireo, saingy, ny lovan-talenta tsy voatery hifanitsy! Ifandovana ny talenta raha ny filazan’ny mpikaroka momba izany. Ho an’ny Malagasy manokana, lova voajanahary io, saingy, tsy voatery hipoitra avy hatrany […]
“Iray volan’ny teny malagasy”: mila manao ezaka mitohy ny tsirairay
Hivalona tsy ho ela ny fanamarihana ny « Iray volan’ny teny malagasy ». Amin’ny ankapobeny, saika nitovy tamin’ny hita isan-taona ihany ny zava-niseho tamin’ity. Noho izany, misy tsy tontosa ao ! Atrikasa, velakevitra, fampirantiana, famoahana boky… Saika efa fahita sy faheno nandritra ny taona maro nisian’ny fanamarihana ny « Iray volan’ny teny malagasy ». Ao […]
Dadah R’Abel: hisy ny embona sy hanina
70 taona izy, raha mbola teo… Vao tamin’ny 21 jona lasa teo no niara-nahatsiahy ny tsingerin-taonan’i Dadah R’Abel ireo akaiky sy mpankafy azy. Tsy avela handalo fotsiny izany fa hisy ny “Embona sy hanina an’i Dadah R’Abel”, izay hotontosaina anio 29 jona, etsy amin’ny PK 00 Soarano, manomboka amin’ny 4 […]
Tarika ‘Zay: hanolotra seho miavaka ho an’ny mpankafy
Tsy maty ny tarika fa mitohy hatrany na eo aza ny fahalasan’i Nary. Izao tokoa mantsy vao hiaka-tsehatra indray izy ireo taorian’ny fahalasanany, ankoatra ilay fampisehoana nentin’ny mpanakanto rehetra nahatsiaro azy. Hanatanteraka fampisehoana eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny tarika ‘Zay, ny takarivan’ny 6 jolay 2024. Fampisehoana hankalazana ny faha-28 […]




