kolon-tsaina

TARATRY ny KANTO

Efa tonga eto i Arjun. Hanatontosa fampisehoana mandritra ilay hetsika « Bollywood Glam Night », izay hotanterahina eny amin’ny Novotel Ivandry, anio alina, ity mpanakanto indianina malaza ity. Efa eto ihany koa i DJ Harpz, ary andrasana anio ny Krumania Dance Group, izay tarika mpanao soradihy avy atsy Maorisy, hizara ny kantony […]

Hip – hop : 50 taona i Slam Jah, anisan’ireo mpanao Rap zokiny

Lava ny lalana nodiavina ho an’i Slam Jah. Tsy mbola nijanona hatreo anefa fa manohy hatrany ny mozika anatin’ny tontolon’ny Hip-hop ity mpanakanto ity. «Savasavaiko ny lalany dia hataoko ma­n­drakizay», hoy i Slam Jah izay. Anarana tsy afa-misaraka amin’ny tontolon’ny Hip-hop eto Madaga­sikara, satria anisan’ireo nitondra voalohany ny rivotry ny […]

Craam Ankatso: maro ireo atrikasa ho hita eny an-toerana

Tanterahina anio, eny amin’ ny ADMC Craam Ankatso, ny atrikasa Slam Poezia, iarahana amin’i Tagman Namgat. Hetsika tafiditra ao anatin’ny «Build a healthy lifestyle», karakarain’ny fikambanana Alfa Madagascar. Hetsika ahitana atrikasa maro samihafa amin’ny zava-kanto sy fanatanjahantena isan-kazarany. Tanjona ao anatin’izany ny fampiroboroboana sy fampivelarana ilay taranja. Anjaran’ny mpankafy Slam […]