3 andro an-danonana ny tetsy amin’ny Coliseum Antsonjombe, ny faran’ny herinandro teo. Tontosa ary nahatratra ny tanjona ny « Star Tour » andiany faharoa tamin’ity taona ity, ho an’Antananarivo. Tsy nahasakana ireo mpiala voly ny hatsiaka, satria nampafana hatramin’ny farany ny fety. Raha hanaovana jery todika ny lanonana nandritra ny […]
kolon-tsaina
Tantara « Galifantsy »: hoentin’ny Rohikanto an-tsehatra
Ny feo efa tsy zoviana amin’ny mpanaraka tantara an’onjampeo. Nirafitra ho tarika iray ireo mpanakanto mpamelona tantara fihaino, ka nanangana ny Rohikanto : Arikom’s Randria, Hanjariliva, Ony Mihajanirina, Vanintsoa, Arlivah, Christophe Rabearimanana ary i Lemec. Nandritra ny fotoana elaela izay, niroso ihany koa tamin’ny seho an-tsehatra izy ireo fa tsy […]
Antsam-piderana teny Mahamasina: niombom-po sy nivavaka ho an’i Madagasikara ny vahoaka
Nanamafy ny finoana an’Andrimanitra sy ny fitiavan-tanindrazana ny Malagasy, omaly. Niray fo sy nitrotro amim-bavaka ny firenena ireo olona an’alinkisa, teny Mahamasina. Tontosa omaly, teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny “Antsam-piderana ho an’ny firenena”. Fampisehoana nitondrana am-bavaka ny firenena, niarahana tamin’ireo mpanakanto, mpihira, ara-pilazantsara maro samihafa. Tonga niatrika izany ny […]
« Concert de la paix »: hanehoana fiombonam-po sy firaisan-tsaina
Atao etsy amin’ny kianjan’i Mahamasina, ny alahady izao, ny «Concert de la paix». Fampisehoana ara-pilazantsara hafanain’ireo mpanakanto kalaza maro avy eto an-toerana. Anisan’izany ry Rija Rasolondraibe, Joseph d’AF… Tafiditra ao anatin’ny fanamafisana ny fety fankalazana ny faha-64 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara izany. “Fotoana hanehoana fiombonam-po sy fiombonan-tsaina izy io”, hoy […]
«Forestival 2024» : Malagasy mpanakanto telo mandray anjara
Mitohy hatrany ny fivelaran’ny zavakanto malagasy. Taratr’izany ny fandraisana anjaran’ireo Malagasy mpahay kanto amin’ny hetsika iraisam-pirenena maro. Malagasy mandray anjara amin’ny «Forestival 2024», atao any Lahnstein Allemagne, Razafindrakoto Mamy Nirina (Tangalamamy) sy Rabearivelo Dina Mitia ary Aina Andriamahafaly. Fampirantiana sy sehon-javakanto maro samihafa atao anaty ala sy eny ankalamanjana izy […]




