Samy mankalaza ny fetin’ny mozika ny isaky ny ivontoeran’ny kolontsaina sy zavakanto, amin’ny maha hetsika ara-javakanto manana ny maha izy azy azy ity. Hiavaka kely kosa ny an’ny IFM noho ny fandraisan’anjaran’ireo mpihira an-dalambe. Hisy ny fankalazana ny fetin’ny mozika, ao anatin’ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny Institut français de Madagascar […]
kolon-tsaina
Teatra ankehitriny : “Rien-volution”, hozarain’ny Miangaly
Mila fiovana… Manoloana ny zava-mitranga ankehitriny, maniry izany avokoa ny rehetra. Fa fiovana toa ny ahoana? Manohitra izay fanontaniana mipetraka matetika amin’ny ankehitrin’ny Malagasy izay ny “Rien-volution”. Teatra ankehitriny, izay hasehon’ny compagnie Miangaly ny zoma 21 jona izao, manomboka amin’ny 2 ora, eny amin’ny Espace KoloMahaOlo, Loharanombato Vinany. Rado Ravalison […]
FJKM Amparibe Famonjena : hivavaka ho an’ny mpanala fanadinana ny RFF
Efa zary seho lehibe mahavantana ny eto an-dRenivohitra sy ny manodidina ny manatrika ilay seho fanaon’ny RFF, Amparibe Famonjena, mialoha ny fanadinana sy ny fetim-pirenena. Hotanterahina tsy ho ela ny amin’ity taona ity. Toy ny isan-taona, hotanterahina ny talata 25 jona ho avy izao, ao amin’ny FJKM Amparibe Famonjena, ny […]
Royal Chapel International : nihanoka vavaka sy hira fiderana ireo mpiangona
Anisan’ny ahafantarana ireo fiangonana voasokajy ho zandriny ny hira mampientanentana. Izany indrindra no hita teny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena nandritra ny fotoam-bavaky ny fiangonana Royal Chapel International. Notanterahina ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina, ny hetsika lehibe nampitondraina ny lohahevitra « Madagasikara ho […]
TARATRY ny KANTO
Tontosa soamantsara ny “Festival Sabotsibe” tany Mandritsara. Hipoka olona ny kianja nandritra ny telo andro, indrindra tamin’ny famaranana izay niakaran-dry Jean Rigo, Rootsman ary i Sisca. Ito farany izay zanak’i Mandritsara no namarana ny fety, ka tsy nisy nety nisaraka raha tsy efa tamin’ny 8 ora maraina. Azo lazaina ho […]




