kolon-tsaina

Noho ny toetr’andro : mihena ny mpitsidika ny Musée de la photo

Iray amin’ireo toerana manana ny lanjany eo amin’ ny firaiketana ny tantaram-pirenena ny Musée de la photo, eny Anjohy. Nahitana fihenany anefa ny isan’ny mpitsidika eny an-toerana, noho ny faharatsian’ny toetr’andro. Nanomboka tany amin’ny fiandohan’ny taona 2023, nahatratra 75 isan’andro ny mitsidika ireo tahirin-tsary mirakitra tantara eny an-toerana. Vao nanomboka […]

IFM Analakely : hiavaka ny hetsika “Taom-baovao”

Notanterahina teny amin’ ny Institut Français de Ma­dagascar na IFM Analakely, ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, ny talata 25 janoary 2023, niresahana ma­ha­kasika ny hetsika “Taom-baovao”. Hetsika hifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao sy hifampirarina ny soa sy ny tsara ho an’ny fianakaviamben’ny IFM. Eo ihany koa ny hanaovana tatitry […]

Filankevi-pitantanan’ny Omda: nafana ny fanehoan-kevitra, saingy tontosa ny fifidianana

Ny isavorovoroan-kilantoana tokoa… Nanomboka tamin’ny disadisa sy ny fifanoheran-kevitra ny fivoriamben’ireo mpikambana tao amin’ny Omda. Niafara tamin’ny fifidianana izay neken’ny rehetra ihany anefa izany. Voafidy ireo hisolo tena ny mpikambana eo anivon’ny Filankevi-pitantanan’ny Omda. Fito ireo nilatsaka teo amin’ny sokajy mozika, ka lany tamin’izany i Jaojoby, Zoky Vonjy, Tonton Pà […]

Fitendrena “Orgue”: hiaka-tsehatra i Miravo Ramarolahy

Hotanterahina eny amin’ny EKAR Faravohitra, ny tolakandron’ny talata 24 ja­noary 2023, ny “135ème Classique de Midi”. Hetsika karakarain’ny Madagascar Mo­zar­teum. Mandray anjara amin’izany ireo andrarezin’ny fitendrena zava-maneno klasika. Isan’izany i Miravo Ra­marolahy. Seho goavana eo amin’ny tontolon’ny fitendrena zava-maneno klasika no ho hita eny an-toerana amin’io fotoana io. Hanakoako eny […]

Fanandratana ny sarimihetsika: miverina indray ny hetsika “Cinem’alliance”

Vaovao mahafinaritra no nomen’ny Alliance Française Madagascar ny mpanaraka azy sy ny mpankafy sarimihetsika ao anatin’izao taona vaovao izao. Naverina indray ny hetsika “Cinem’alliance” raha tsy nisy nandritra ny 4 taona teo ho an’ny teto Madagasikara. Ny tolakandron’ny Alarobia sy ny asabotsy no fanatanterahana ny hetsika tamin’izany. Ho an’ity fiverenany […]