Farakely etsy amin’ny Chez Pitou Behoririka. Tsikaritra tato ho ato fa nisesy isan-kerinandro ny “cabaret” tao amin’ity toerana ity, taorian’i Lati, hanafana ny fotoana anio alina indray i Farakely sy ny mpitendriny. Hitondra ireo sanganasany be mpankafy, fa hanolotra ihany koa ireo hirana mpanakanto hafa izay ankafiziny i Farakely. Ry […]
kolon-tsaina
Mpilalao tantara amin’ny radio: hiaka-tsehatra eto Antananarivo ny Iray Fy’Art
Hiaka-tsehatra eto Antananarivo ireo mpilalao tantara amin’ny onjam-peo, Iray Fy’Art. Hotanterahina etsy amin’ny salle d’œuvre, Ekar Trinite Masina, Mangasoavina izany, ny sabotsy 8 jona izao, iarahana amin’ny Sefada – FET. Hitohy ny alahady 9 jona etsy amin’ny salle d’œuvre, Ekar St Etienne Ambanidia izany. Karakarain’ny FET, Ekar Notre Dame de […]
Feno 80 taona…: Hiverina an-tsehatra i Bessa sy i Lôla!
Mpamoron-kira malagasy goavana indrindra. Tsy misy afaka ny mandà izany, raha hiresaka an’i Bessa. Feno 80 taona ity andrarezina ity, ka homarihina an-tsehatra izany. Olomangam-pirenena raha Ratsarisa Randzavola Rakotovao Rabe Samüel. Bessa no tena hahafantaran’ny maro, amin’ny maha mpanakanto, azy. Feno 80 taona amin’ity taona ity ny tenany. Andrarezina satria […]
Mora voarebireby: miandry fahagagana ny Malagasy
Vokatry ny tsy fahampian’ny fahalalana, nanjary miaina sy manankina ny fiainany amina kisendrasedra ny Malagasy. Tsy nijanona hatreo fa mitohy hatrany amin’ny fiandrasana ny asan’ny fahagagana. Tsy kolontsaina malagasy io. Nahafantatra sy nanaja fatratra an-Janahary, ohatra, izy fa tsy niantehitra tamin’ny fahagagana tefen’olombelona. Io tsy fahampian’ny fahalalana io no mila […]
« Semaine de la BD »: nitondra ny traikefany i Pascal Boniface
Tontosa omaly, teny amin’ ny Alliance Française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba, ny velakevitra niarahana tamin’i Pascal Boniface, mpanoratra sy manam-pahaizana manokana momba ny haipolitika ara-toetany. Marihina fa tafiditra ao anatin’ny hetsika « Semaine de la Bande dessinée » izy ity. Ankoatra izay, nisy ihany koa ny atrikasa mahakasika ny fanaovana tantara an-tsary, natao […]




