kolon-tsaina

Kabary: nanatanteraka hetsika maro sosona ny Fi.Mpi.Ma

Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany. Ny lehibe sy zokiny indrindra amin’ny fikoloana sy fampivela­rana ny tontolon’ny kabary malagasy. Nanatanteraka hetsika lehibe ny faran’ny herinandro teo. Tao anatin’ny tapakandro maraina. Fandaharam-potoana maro sosona no notanterahin’ny Fikamba­nan’ny mpikabary malagasy maneran-tany (Fi.Mpi.Ma maneran-tany), ny sabotsy 10 aogositra teo, tao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina […]

Vohitra manan-tantara: fetin’ny taranaka FJKM Ambohimamory

Iray amin’ireo vohitra manan-tantara eto Imerina i Ambohimamory. Anisan’ny nahatahiry izany ny FJKM Ambohimamory Malala Orimbato. Hisongadina amin’ny « Fetin’ny taranaka » hotanterahina rahampitso eny an-toerana io. Nanao antso ho azy ireo ny tomponandraikitra hanatontosa ny fihaonana hiainana indray ny fifankatiavana sy firaisankina ary ny fifankahalalana. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny fanompoampivavahana […]

Miroso amin’ny maha matihanina… Niofo ho tarika Feokanto ny Zazakanto

Taona maromaro lasa izay, horonantsary iray nahitana sy nahenoana ankizilahy maromaro nihira an-dalambe, no lasa nalaza tampoka. Samy nahatsikaritra fa ma­nam-peo azo trandrahina ireto tovolahy ireto, raha misy fanarahana bebe kokoa. Maro ireo nanolo-tanana ny hanosika ny talentan-dry zalahy ireto, ka nifanaraka ireo fa ankinina amina mpanakanto afaka mitari-dalana azy […]

Festival 321 andiany faha-6: manana ny hoaviny mamiratra ny soradihy

Iray amin’ireo hetsika momba ny dihy nahatafapetraka zavatra maro ny « Festival 321 ». Ankoatra izay, mitohy ny dia… Naneho ny hoavy manaraka ny andiany faha-6. Nanomboka ny 5 aogositra ka hifarana anio, ny andiany faha-6 amin’ ilay hetsika lehibe momba ny dihy nampitondraina ny lohateny « Festival 321 ». Niom­pana amin’ny lohahevitra « Art […]

Taratry ny kanto

Farakely ao amin’ny Piment Café Behoririka. Elaela indray no tsy niaka-tsehatra izy. Saingy efa nanao safidy tsy hisaraka amin’ny mozika kosa anefa ka manome fotoana ireo mpankafy azy indray anio manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina, etsy amin’ny Piment Café Behoririka. Ankoatra ireo hirany manokana, hizara ireo hira ankafiziny […]