kolon-tsaina

Mifarana anio ny « Herinandron’ny kabary » : «Tratra ny tanjona», hoy Randimbiarison Herizo

Faranana anio, ny « Heri­nandron’ny kabary » na ilay hetsika lehibe tanterahin’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany (Fi.Mpi.Ma) hoenti-mampivondrona sy manatevim-pahalalana. « Na teo aza ny fiatrehan’ny rehetra ny andavanandrom-piainany. Ho an’ity andiany faha-18 notanterahina teo anivon’ny faritany Fi.Mpi.Ma Antananarivo ity, tratra ny tanjona. Nizotra tsara ny fanatanterahana ny fandaminana napetraka », hoy ny filoha […]

« Waka-waka festival » : hiditra amin’ny andiany fahatelo ny hetsika

Hotanterahina ny 5 hatramin’ny 8 desambra 2024, any Sambava, ny « Waka- Waka Festival”, andiany fahatelo. Hetsika ara-javakanto sy ara-panatanjahantena atao ao amin’ny tanànan’i Sambava izy ity. Ankoatra ny fanandratana ireo tanora misehatra amin’ny fanatanjahantena sy zavakanto amin’iny faritra iny, tanjona ihany koa ny fitondrana vahaolana amin’ny sosialim-bahoaka ao an-toerana. Hisy […]

VAOVAO TAMBATRA

“Fest’Ampefiloha”. Ho fanamarihana ny faha-60 taonan’ny Cité Ampefiloha. Haka endrika fampisehoana goavana ankalamanjana izy ity, eo anoloan’ny Super U, anio sy rahampitso. Mpanakanto maro no hifandimby an-tsehatra, ahitana an-dry Agrad, Malm, Stéphanie, Princio, Bolo, Raboussa, Njakatiana, Iraimbilanja, Gastà, Dom Rasolo, Sivy Mahasaky, Tsiakoraka, Psykopasy, jeneraly, Ckoji, Princy, sns. Feo Kanto, […]

Misaona ny tontolon’ny mozika: nodimandry, halevina anio, i Rampal

Nodimandry ny alarobia 14 aogositra 2024, teo amin’ny faha-60 taonany Rakoto­malala Jean Pierre Rampal, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe Rampal, amin’ny maha mpanakanto mpihira azy. Taona vitsivitsy lasa izay no nanomboka narary ny tenany. Tao anatin’ny roa volana kosa no niombo izany aretiny izany ka nitarika izao fahafatesany izao. […]