Tsy ny mpankafy Jazz ihany no ho hita sy hahazo tombony, mandritra ity “Jazz tohatohabato” ity fa hisy ny hetsika sy sehatra misokatra ho an’ny gadona hafa sy mpankafy. Tanterahina ny 7 hatramin’ny 11 aogositra 2024, amina faritra sy toerana maro samihafa eto Antananarivo ny «Jazz tohatohabato», andiany faha-13. Hetsika […]
kolon-tsaina
“Mozikanay Bômba”: ho tafaraka ireo andrarezin’ny HH
Ilay rap gasy araka ny nitiavan’ny maro azy! Efa ela ireo mpankafy Hip-Hop no niandrandra ny fiarahana an-tsehatra eo amin’ireo lazaina hoe mpisava lalan’ny rap gasy teto Madagasikara. Elaela no tsy nisy tokoa, ka hofohazina indray anatin’ny “Mozikanay Bômba”. Nalaina tamin’ilay fandaharan’i Tongue Nat amin’ny onjam-peo izy. Hiarahan’ireo “indray nihira” […]
Fikambanan’ny mpikabary malagasy : raikitra ny « Herinandron’ny kabary »
Hetsika fanao isan-taona. Ny Faritany Fi.Mpi.Ma Antananarivo no handray ny « Herinandron’ny kabary » amin’ity taona 2024 ity. Feno tanteraka ny fandaharam-potoana. Anisan’ireo hetsika lehibe karakarain’ny Fikambanan’ny mpikabary Malagasy maneran-tany (Fi.Mpi.Ma maneran-tany) ny «Herinandron’ny kabary». Ho an’ity taona 2024 ity, ny Faritany Fi.Mpi.Ma Antananarivo no handray izany. Hanomboka ny 10 […]
TARATRY ny KANTO
Hisy sampan’ny Académie du Hip-hop hisokatra eto Madagasikara. Tohin’ny fandalovan’ilay mpanakanto Grödash, izay sady tale ara-javakanton’ity ivontoerana any Frantsa ity teto izany. Fantatra ihany koa fa i Fyh, izay mpikarakara hetsika manodidina ny Hip-hop no voatendry hitantana izany. Amin’ny zoma 2 aogositra izao, manomboka amin’ny 8 ora alina, hanatanteraka seho […]
« Festival de Locarno 2024 »: anisan’ny hitsara ny hetsika Razanajatovo Laza
Dingana lehibe ho an’ny tontolon’ny sinema malagasy izao nahavoatendry an-dRazanajatovo Laza ho mpitsara amin’ny hetsika lehibe manana ny maha izy azy maneran-tany izao. Navoakan’ny mpikarakara, omaly, ny anaran’ ireo ho mpitsara ny « Festival de Locarno” andiany faha-77. Anisan’ny mandrafitra ireo vondron’ny mpitsara amin’izany Razanajatovo Laza, talen’ny Rencontre de Film Court […]





