Hetsika iray maneho ny kolontsaina mivelatra ny «Festival Sobahya». Hiditra amin’ny andiany faha-18 sahady izany amin’ity, hatao any Katsepy, ny 9 hatramin’ny 11 aogositra ho avy izao. Fanomezan-danja ny «Sobahya», ilay lamba mampiavaka ny Sakalava Maroambitsy, monina any amin’ity tapany andrefan’ny Faritra Boeny ity izany. Nisy ny fampahafantarana ny hetsika, […]
kolon-tsaina
Faribolana Sandratra : hisy ny fifaninanana miantsa tononkalo
Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-35 taonan’ny Faribolana Sandratra. Hisy ny fifaninanana miantsa nampitondraina ny lohateny : «Andeha isika hamorona olona tahaka antsika». Tononkalon’ny Faribolana Sandratra no antsain’ny mpifaninana. Tsy azon’ny mpifaninana hafa atao, ny miantsa ny sanganasan’ny mpanoratra efa nisy nisafidy. Mpanoratra iray, an’ny mpifaninana iray. Mandritra ny dingan’ny fifanintsanana, […]
« Iray volan’ny Varatava » : miditra amin’ny andiany fahenina ny hetsika
Taorian’ny iray volan’ny hosodoko, miditra amin’ny iray volan’ny varatava indray ny fianakaviamben’ny mpankafy sary. Misokatra ary natao ho an’ny rehetra izany. Tontosa omaly, teny amin’ ny Ivon-toeran’ny Kolontsaina Malagasy (IKM) Antsahavola, ny lanonana fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny «Iray Volan’ny Varatava». Hetsika karakarain’ny fikambanana Varatava, eo ambany fiahian’ny ministeran’ny Serasera […]
TARATRY ny KANTO
Olombelo Ricky Accoustic Band, any amin’ny B Live Club Antsirabe. Handray ny “Manala azy” amin’ ny endriny mifanakaiky kokoa ireo mpankafy any Vakinankaratra, anio manomboka amin’ny 8 ora alina. Ho vahinin’ny Olombelo Ricky hatrany ireo namany efa ela nihetezana teo amin’ny mozika, Sylvin Marc sy i Edgard Ravahatra. “Samy mandeha, […]
Lalao Olympika: nampitolagaga ny maro ny seho nataon’ny Bloco Malagasy
Nanomboka omaly ary haharitra dimy andro ny fandraisan’anjaran’ny tarika Bloco Malagasy, amin’ny sehatry ny zavakanto sy kolontsaina, mandritra ny Lalao Olympika atao any Paris, Frantsa. Ao amin’ny Site Courneuve no anatanterahina izany. Nampitolagaga ny vahiny sy ireo mpandray anjara amin’ny lalao Olympika ny seho natolotr’ireto tovovavy malagasy mivondrona ao anatin’ny […]





