Atrikasa gitara klasika, etsy amin’ny IKM Antsahavola. Hotontosaina ny zoma 31 mey izao manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, iarahana amin’i Richard Claude Rabemalanto. Mpampianatra gitara klasika fanta-daza, efa nampianatra an-taonany maro tany Frantsa izy. Vonona hizara maimaimpoana ny traikefany ho an’ireo liana ity mpampianatra mpanakanto ity. Vita ny “Fetin’ny Reny”. […]
kolon-tsaina
Fiarahamonina malagasy : tafapetraka ho azy ny raiamandreny
Ny isam-bohitra na isan-tanana, samy nanana ny raiamandreny. Tsy nofidina ireo fa napetraky ny mpiara-monina. Tsy noho ny fananany harembe fa noho ny fisian’ilay fanahy hendry. Noho izy vatonamelankafatra mitazona ny fomba amam-panao. Mahatahiry ireo fahalalan’ny razana. Mahatandrina ny hasina, sns. Tamin’ny ankapobeny ireo zokiolona sy ela nihetezana no napetraky […]
38 taona an-tsehatra : mitohy ny fankalazana ho an’ny tarika Kiaka
Vonona hanamarika ny faha-38 an-tsehatra ny tarika Kiaka. Ho feno 40 taona aza raha ny marimarina kokoa… Efa nanomboka herinandro maromaro, ka hitohy ny zoma 31 mey, manomboka amin’ny 7 ora hariva izao izany, ao amin’ ny Espace Arcancia Ankadindratombo, Alasora. “Kiaka” ihany ny tanjona ny sabotsy 1 jona ao […]
Iray volan’ny teny malagasy: maika ny famohazana ny voambolana fahiny
Samy manana ny fomba hoentiny mankalaza ny « Iray volan’ny teny malagasy » manomboka ny 1 jona izao ny sehatra tsirairay. Voaresaka matetika ireo zava-mamotika ny teny malagasy, fa tsy mba voateny ny mahamaika! Teny miaina ny teny malagasy, satria, mbola eo ny Malagasy mampiasa azy! Tandindonin-doza anefa izany, noho […]
«Zaza mifety» : miditra amin’ny andiany faharoa ny hetsika
Mitohy hatrany ny fanolorana hetsika mahakasika ny kolontsaina sy ny fanabeazana, indrindra ho an’ny ankizy, ataon’ny IFM sy ny mpiara-miombon’antoka aminy. Izany indrindra no nanaovana izao “Zaza mifety” izao. Tanterahina eny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, manomboka ny 1 jona hatramin’ny 8 jona 2024, ny «Zaza mifety» andiany […]




