Mitombo indray ireo Malagasy mpanatontosa sarimihetsika nandresy lahatra ireo avy any ivelany. Hetsika lehibe eo anivon’izany, anisan’ireo efa ela sy manana ny maha izy azy, ny “Festival d’Annecy”. Izay indrindra ny maha fanararaotra lehibe ny fandraisana anjara aminy. Tanterahina ny 9 jona hatramin’ny 15 jona 2024, ao Annecy France, ny […]
kolon-tsaina
TARATRY ny KANTO
Tanterahina manomboka anio, hatramin’ny 12 mey 2024, eny amin’ny SMaK Imaitsoanala Ambohimangakely, ny “Irie festival” andiany fahatelo. Hetsika manasongadina sy manome sehetra ireo mpiangaly ny gadona “Reggea” eto Madagasikara. Fampisehoana sy fizarana ary fifampizarana eo amin’ny samy mpankafy “Reggea” no andravaka ny hetsika. Le Pavé Antaninarenina. Handray fiarahana hafakely ny […]
Gadona Hip Hop; tanterahina anio ny « Repoblika: ho an’ny fanabeazana sy fahalalana”
Tanterahina anio, eny amin’ ny Oniversite Ankatso, ny hetsika « Repoblika: ho an’ny fanabeazana sy fahalalana ». Hetsika ara-kolontsaina, iarahana amin’ireo mpanakanto miangaly ny gadona Hip Hop, mivondrona ao anatin’ny fikambanana Kolontsaina Mainty. Fampisehoana iarahana amin’ireo mpanakanto, valandresaka arahina adihevitra, iresahana ny lanjan’ny “Hip Hop” no handravaka ity hetsika ity. Tanjon’ny […]
« Coupe du monde de Slam »: hiatrika ny dingan’ny manasa-dalana, anio, i Santa
Tafita amin’ny dingan’ny manasa-dalana ny solontenantsika malagasy, ao anatin’ny fiadiana ny amboara maneran-tany, eo amin’ny “Slam poèsie”. Mpiangaly Slam kalaza, manerana izao tontolo izao no mifaninana amin’izany. Mipetraka hatrany anefa ny tanjona ho an’ity solontenan’ny Malagasy ity. Tanterahina anio manomboka amin’ny 7 ora sy 30 minitra, ora any Paris Frantsa, […]
Volan’ny teny malagasy: hiray sehatra ny kabary, hiragasy, varibemenaka
Hafa noho ny fahita hatramin’izay! Volana jona, hanamarihina ny « Iray volan’ny teny malagasy ». Ho an’ity taona ity, hisy hetsika lehibe hotanterahina ny 1 jona, manomboka amin’ny 10 ora maraina, eny amin’ny zaridainan’Andohalo. Fotoana hanasongadinan’ny kanto telo mampiavaka ny kolontsaina malagasy: kabary sy hiragasy ary varibemenaka. Haneho ny hasin’ny teny malagasy […]





