Matoa vanona ny firenena iray. Manan-taranaka vanona izy izay. Matoa manan-taranaka vanona. Manana ray aman-dreny sy mpanabe ary mpananatra vanona. Tsy voatazon’ny Malagasy anefa izany. Taranaka tsy vanona. Tsy mataho-tody. Tsy mahalala fomba… Saika isaloran’ny ampahana Malagasy ireo mpamari-toetra ireo. Nandray anjara lehibe tamin’izany famotehana ny taranaka izany ny tontolon’ny […]
kolon-tsaina
TARATRY ny KANTO
«Hanomboka hivoaka ivelan’Antananarivo amin’izay izahay. Any Arivonimamo no hanombohanay izany», hoy ny Tanora Masina Itaosy. Ny alahady 23 febroary 2025 manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro, ao amin’ny Salle d’oeuvre EKAR NDA Arivonimamo. Tsy ampy hanome lanja ny tenindreny ny fikambanana mijoro eto Madagasikara. Mila mandray andraikitra ny isan-tokantrano. […]
Na hankalazaina isan’andro aza : Miha potika sy manjavona ny tenindreny
Andro vitsy sisa. Hanamarika ny 21 febroary, «Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny» ny firenena maro. Ho an’i Madagasikara manokana, ilay reny tokony hiteny ny teniny mihitsy no tsy manao izany, hany ka na hankalazaina isan’andro aza io vanim-potoana io, herim-po very maina fotsiny. Na, mety hijanona hatreo amin’ny fisehosehoana sy […]
Tranombakoka Lampy : Nafindra amin’ny Oniversiten’i Toamasina
Tranombakoka manan-tantara ao Fenoarivo Atsinanana ny Lampy. Hatramin’izay, ny Prefektiora any an-toerana no nitantana azy. Noho ny andraikitra samy manana ny azy sy ny antony maro hafa, nafindra amin’ny Oniversiten’i Toamasina ny fitantanana ny toerana. Ny ao amin’ny lalam-piofanana Anthropologie, izay misahana manokana ny vakoka sy ny tontolony no tena […]
Zara revy: Hanamarihana ny 30 taona nihiran’i Samöela
Manomboka any amin’ny “Mampirevy”, rakikira voalohany, ka hatramin’ireo hira nivoaka farany no fehezina anatin’ny “Zara Revy”. “Efa sy sasany”, ka hotetezin’i Samöela an-kira izay 30 taona izay. 1995 -2025. 30 taona lasa izay ny nanitsahan’i Samöela ny sehatry ny CGM Analakely sy ny Alliance Française Andavamamba, izay nanombohany tamin’ny mozika. […]