kolon-tsaina

Boky « Ilay Lolokely jejo »: Ho hita ao Afrika

Nisy ny fiaraha-miasan’ny trano famoaham-boky Ntsa­me, avy any Gabon sy ny Jeu­­nes malgaches, avy eto Ma­dagasikara, ny amin’ny fividianana ny zo mahakasika ilay boky novokarin’ny Jeunes malgaches, nampitondrainy ny lohateny hoe «Ilay Lolokely Jejo». Araka ny nambaran’ny tomponandraikitry ny trano famoaham-boky, ankoatra ny tombony azon’ny mpanoratra ny boky, zava-dehibe ho […]

Tarika Raboussa: Seho tokana any Alemaina

Ny voalohandohan’ny taona no nandatsahana ny vaovao. Efa any an-toerana, nanomboka omaly, kosa Raboussa sy ny tariny. “Efa aty, sabotsy mihaona. “Te ho any aminao” ny hiranay voalohany amin’io”, hoy ny nambaran-dRaboussa tao amin’ny pejin’ny tarika. Manome fotoana ireo mpankafy azy any Munich, Alemaina ity mpanakanto ity, rahampitso sabotsy. Miara-dalana […]

Fianarantsoa : nahazo teoram-piasana ny Akademia Malagasy

Notanterahina afakomaly ny fivorian’ny Akademia Mala­gasy, sampana Fianarantsoa. Notokanana nandritra izany ny efitrano izay ho foibe fiasany. Ao amin’ny Trano famakiam-boky Tsianolondroa no misy ny birao. Fanomezana avy amin’ny kaominina Fianarantsoa Renivohitra ity efitrano ity. Antenaina hampivoatra sy hampiroborobo ny Akademia Malagasy ao Matsiatra Ambony, araka izany, ny fisian’ny birao […]