Fampianarana ny fototra amin’ny fanaovana sary no ampitaina amin’ireo eny anivon’ny fiarahamonina mba hampivoarana sy hampivelaran’izy ireo ny talentany. Izany ihany koa no homena ireo mpanabe kanto izay hizara izany eny ifotony. Ao anatin’ny fiofanana tanteraka ny mpanabe ny kanto ao anatin’ny Tetikasa “Kanto Manabe” (TKM) amin’izao fotoana izao, eny […]
kolon-tsaina
“Misy Mihaino”: seho mampiaina ny tantara an’onjampeo
Notanterahina tetsy amin’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM) Analakely, afakomaly, ny fampisehoana tantara fihaino sy ny tontolony, nampitondraina ny lohateny hoe : “Misy Mihaino?”. Hetsika nokarakarain’ny Faribolana Sandratra. Nahitana ireo mpandray anjara sy mpilalao fototra hafa ao anatin’ny tantara izany. Hita teny an-toerana ry Rabearimanana Christophe, Nofy, Zo Maminirina, Niravo, Randrianatoandro Sylivia, Hanjariliva… […]
Sehatra bagasy: hisy ny « Atrikefa fintina 2023 »
Nohatevenina ny hetsika « Sehatra Bagasy » febroary 2024. Hotanterahina ny sabotsy 3 febroary izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, ao amin’ny IKM Antsahavola, ny « Atrikefa sehatra bagasy fintina 2023 ». « Hofintinina amin’ny alalan’ny sary sy feo voarindra ireo sahanasa 2023 notanterahin’ny Sehatra bagasy nandritra ny taona 2023 », hoy Ratefiarison Lydie, filohan’ity […]
12 taona ny « Sorakanto »: « Somary ambanin-javatra ny vaovao kolontsaina », hoy i Faly Randria
« Sorakanto » ivondronan’ireo mpanao gazety mikirakira ny kolontsaina. Mandia ny faha-12 taonany ny fikambanana ankehitriny. Maneho ny heviny momba ity tontolo iray ity Randriamiarantsoa Faly, filohan’ny « Sorakanto ». Nisy ny dingana vita… Mbola maro ihany koa ireo asa miandry. Feno 12 taona ny nijoroan’ny « Sorakanto », fikambanana ivondronan’ireo mpanao gazety mikirakira ny vaovan’ny […]
STAR : mpiasa 566 nahazo mari-boninahitra
Tontosa ny herinandro teo ny lanonana fifampiarahabana teo amin’ny samy mpiasan’ny STAR. Nohararaotina, nandritra izany, ihany koa ny fanomezana medaly sy mari-boninahitra ireo mpiasa mendrika. Miisa 566 ny nisitraka izany, avy amin’ny masoivoho Star manerana ny Nosy : 4 ny “Commandeur de l’Ordre National”, 23 ny “Officier de l’Ordre National”, […]




