Fifaninanana lehibe anisan’ireo hokarakarain’ny Madagaslam, amin’ity taona ity, ny “Slam national scolaire” andiany faharoa. Efa vita ny dingana voalohany ary vinavinain’ny mpikarakara hatao ny volana jona na jolay 2024 ny dingana faharoa sy famaranana. Ireo ankizy mpianatra eny amin’ny ambaratonga voalohany, avy amin’ny sekolim-panjakana, amin’ny faritra maro, no handray anjara […]
kolon-tsaina
TGC – 20 Taona: hiverina hiseho etsy Analakely
Ny 4 febroary 2004 no nanomboka ny tantara… Tao amin’ ny Tranompokonolona Analakely, niaka-tsehatra voalohany ny Tanà Gospel Choir-TGC. Antony iray nisafidianan’izy ireo ny hiverina ao amin’ity toerana ity izany, 20 taona aty aoriana. “Tamin’ny voalohany” ny anaran’ny seho, izay hotontosaina ny 4 febroary izao, izay maneho indrindra ny fahatsiarovana […]
“La voix d’or 2023” : lasa mpihiran’ny tarika Riaka i Caroja
Mirona any amin’ny Pop rock ny lalan’i Caroja. Izy no voafidy hitana ny toeran’ny mpihira fototra ao amin’ny tarika Riaka. Mitohy ny lalana! Rehefa avy naka bahana sy nandinika tsara, naneho ny safidiny amin’ny mozika hataony amin’izay i Caroja. Izy ilay nahazo ny amboara ka nisalotra ny anaram-boninahitra “La voix […]
Fampirantiana hosodoko: haneho ny mampiavaka azy i Mariam Amyra
Tanterahina eny amin’ny Lapan’ny Tanànan’Antananarivo, ny 2 hatramin’ny 11 febroary 2024, ny fampirantiana «Fun& Flow», tontosain’i Mariam Amyra, Egyptianina mpanao hosodoko, manana ila frantsay, monina eto Madagasikara. Anisan’ny mampiavaka ny asa tanan’ity mpahay kanto ity ny fahaizany milalao ny hazavana sy ny loko ao anatin’ny haikantony. Ankoatra ny fampirantiana, vonona […]
Hetsika “NOus_sOmm∑”: Tanjona ny hiarovana sy hanavotana ny tontolo iainana
Samy tompon’andraikitra sy manana adidy manandrify azy ny rehetra, raha ny momba ny fiarovana sy fanavotana ny tontolo iainana no asiana teny. Izany indrindra no anton’ny hetsika, ho fampahatongavan-tsaina ny olona amin’ny alalan’ny haikanto. Mitohy eny amin’ny Centre de lecture, d’information et de culture (CLIC) Antohomadinika, nanomboka omaly, ny hetsika […]




