Hanomboka anio ny fankalazana ny Alahamady. Vohitra maro eto Imerina no mbola mankalaza izany, indrindra ireo any ambanivohitra lavitra. Ho an’ny eny Anosimanjaka manokana, hisy ny arendrina toy ny mahazatra, anio alina. Rahampitso kosa ny ivon’ny fankalazana, eo an-kianja. Hofaranana amin’ny ady hiragasy izany ny alakamisy. “Les soirées classiques”. Io […]
kolon-tsaina
Kabeson’ny Ampanjaka Toera: hatao ny fomba rehetra amin’ny famerenana azy
Miroso hatrany. Nivory tetsy amin’ny Havoria, ORTM Anosy, ny komity manokana misahana ny fampodiana ny kabeson’ny Ampanjaka Toera, omaly. Nidinika ny dingana manaraka tokony harahina izy ireo, na araka ny lalàna na araka ny fomba. Fantatra mantsy fa hatao daholo ny fomba takina amin’ny zavamanan-kasina toa izao. Tsy maintsy hapetraka […]
FIFOI 2024 : mandray anjara i Hachimiya Ahamada sy i Lova Nantenaina
Tsikaritra ny firoboroboan’ny sehatry ny sarimihetsika ankehitriny. Mivelatra manaraka izany ihany koa ireo hetsika entina ifaneraserana sy ifanakalozan’ireo samy eo amin’izany tontolo izany. Anisan’izany ny FIFOI, izay hetsika vaovao mampiray ny mpiangaly sarimihetsika aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Tanterahina ao amin’ny Nosy La Réunion, nanomboka omaly hatramin’ny 12 Avrily 2024, ny […]
TARATRY ny KANTO
Fampisehoana talenta, tontosa tetsy amin’ny IFM Analakely, ny sabotsy teo, ny fihaonana mahakasika ny poezia slam. Hetsika nokarakarain’ny Madagaslam, sampana Antananarivo. Maro ireo nandray anjara tamin’izany, nahitana ankizy sy tanora ary olon-dehibe. Maimaimpoana ny hetsika ary anisan’ny nahasarika olona maro. Dihy nampisehoana ny andron’ny faha-mpanjaka. Naseho an-dapihazo tetsy amin’ny Cercle […]
Natoa – « Ensemble à tra-verre ma route » : hasongadiny ny andavanandron’ny Malagasy
Nosokafana ny sabotsy 6 avrily teo, teny amin’ny efitrano malalaky ny Bamada Andraharo, ny fampirantiana hosodoko sanganasan’i Natoa Rasolonjatovo, nampitondraina ny lohateny « Ensemble à tra-verre ma route ». « … Lalana izy io. Lalan’ny fiainako fa mety ho lalan’ny fiainanao ihany koa », hoy i Natoa, raha namintina ny raiketin’io lohateny io. Ankoatra […]





