Ambohipihaonan’ny mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny fanaovana tantara an-tsary maneran-tany ny ao Angoulême, manomboka anio. Anisan’ny manana solontena hiatrika izany ny Malagasy. Tanterahina manomboka anio hatramin’ny 28 janoary 2024, ao Angoulême, Frantsa, ny « Festival international de la bande dessinée d’Angoulême » (FIBD), andiany faha-51. Hetsika anisan’ny lehibe indrindra ho an’ny eo amin’ny […]
kolon-tsaina
Fankalazana ny faha-5 taona : manomana seho maro eto sy any ivelany ny Reko
“Reko Tour 2024”. Io no hampisalorana ny fitetezam-paritra sy firenena hataon’ny tarika Reko amin’ity taona ity. Anatin’ny fanamarihana ny faha-5 taona nisian’ny tarika, izay efa natombony tamin’ny fampisehoana tetsy amin’ny CCEsca Antanimena, ny volana desambra lasa teo, io. “Hivaly ilay fangatahanareo hoe mba tongava aty aminay. Efa tsy andrinay ny […]
Rajaonarivelo Felana : voafantina amin’ny “FIFF 2024” ny sanganasany
Tafakatra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena indray ny sarimihetsika malagasy. Rajaonarivelo Felana no mitondra ny anaran’i Madagasikara eto, mandritra ny “Festival international des films des femmes 2024”. Anisan’ny voafantina hiatrika ny «Festival international des films des femmes 2024” (FIFF), ny sanganasan-dRajaonarivelo Felana, Malagasy mpanatontosa, nampitondrainy ny lohateny hoe « Debout ! ». Ity hetsika […]
“Africia Music Award”: nahazo ny “Coup de Coeur 2023” i Anisha Jo
Fandresena ho an’ny Malagasy maneran-tany! Noho ny fanohanana an’i Anisha Jo amin’ny lalany eo amin’ny mozika mantsy no nahazoany ny voalohany tao amin’ny sokajy “Projet coup de Coeur 2023”, nandritra ny “Africia Music Award”. Nifarana afakomaly ny fisafidianana tao amin’ny Instagram, izay nahazoany vato maherin’ny 80% tamin’ireo mpifidy. Satria tetikasa […]
Fampiasana ny sanganasany : nahazo alalana tamin’i Ninie Donia i Farah John’s
Alalana feno sy ara-dalàna no azon’i Farah John’s amin’ny fihirana sy fampiasana ny sanganasan’i Ninie Donia. Nitondra fanazavana sy fanamarinana mahakasika izany izy. Nanatanteraka valandresaka ho an’ny mpanao gazety, niresahana ny mahakasika ny fihirany ny hiran’i Ninie Donia, ny mpanakanto Farah John’s, omaly, teny Ampasika. « Efa ela i Ninie Donia […]




