kolon-tsaina

“Raharaha Omda”: mifanipa-kevitra ny samy mpanakanto 

Mafampana ny toe-draharaha eo amin’ny samy mpanakanto. Niitatra ny « Raharaha Omda », mahatonga fizarazaran-kevitra, taorian’ny fiantsoana fivoriambe izay hotontosaina rahampitso. Nanao fanambarana ny sendikan’ny artista. Naneho hevitra koa ireo mpanakanto hafa tsy momba izany… Inona no hitranga rahampitso ? Liana dia liana amin’ ny valin’izay fanontaniana izay ny mpanaraka ny vaova­on’ny mpanakanto. […]

AFT : hisy ny fankalazana ny “Nuit de la lecture”

Tanterahina ny takarivan’ny asabotsy 21 janoary 2023, ny “Nuit de la lecture”, amin’ity taona 2023 ity. Isan’ny mankalaza izany koa ny eto Madagasikara, amin’ny ala­lan’ny Alliance Française. Ny amin’ity taona ity, ny any Toamasina no mankalaza izany amin’ny alalan’ny hetsika tanterahina ao amin’ny Alliance Française Toama­sina, manomboka amin’ny 4 ora […]

Hira sy vakodrazana malagasy : mitrandraka ny any an-doharano ny tarika Diary

Ny miezaka mamelo-maso, mitahiry ary mampahafantatra ireo haren’ny mozika nentim-paharazana misy ma­nerana ny Nosy amin’ireo taranaka no antom-pisian’ny tarika Diary, izay niorina ny taona 2020. Mitrandraka ha­trany ifotony mihitsy ry zareo amin’izany. “Tononkira mirakitra anatra, misy vontoatiny no jarianay mba ho fanabeazana feno sahaza ny isam-baravarana. Ny trangam-piainana andavanandro (fitiavana, […]

Zavakanto “Marqueterie”: hampiranty eto amintsika i Guy Pradel

Hotanterahina ny 07 fe­broary 2023, hatramin’ny 25 febroary 2023, ny varotra fampirantiana hataon’i Guy Pradel, mpanakanto manana fahaizana manokana momba ny rakitakela-manify na “Mar­­quéterie”. Ao amin’ny Institut Français de Mada­gascar na IFM Analakely no hanatanterahana ny hetsika. Lohahevitra amin’izany fampirantiana izany ny “Sacra­mental”, lohahevitra mampiseho ny mahakasika ny fanantenana sy […]

Mitohy ny fankalazana ny 50 taona: “Tsy handimby ny Mahaleo izahay”, hoy ireo taranaka

Mitohy ny “Revy Mahaleo”. Taorian’ny fitetezam-pirenena, hanohy ny fankalazana ny faha-50 taona eto an-tanindrazana ny tarika Mahaleo sy ny taranaka… Voavaly ny kihana sy ny fanontaniana maro mipetraka! Nihaona tamin’ny mpanao gazety ny tarika Mahaleo, omaly, nitantara ny tontosa tamin’ny fanamarihana ny faha-50 taona, sy niresaka ihany koa ny fandaharam-potoana […]